Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
5-11 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 12
Mahasoa ny Miasa Mafy
w16.06 30 § 6
Toetra Sarobidy Noho ny Diamondra
Sarotra be amin’ny mpanompon’i Jehovah sasany indraindray ny mahazo vola ampy mba hahazoana an’izay tena ilainy. Miasa mafy sy mazoto anefa izy ireo, fa tsy mitady fomba tsotsotra hahazoana vola amin’ny tsy marina. Hita amin’izany hoe sarobidy amin’izy ireo mihoatra noho ny vola sy harena ny toetra tsara, anisan’izany ny fanaovana ny marina.—Ohab. 12:24; Efes. 4:28.
w15 1/2 5 § 4-6
Te ho Faly ve Ianao Rehefa Miasa?
Io fanontaniana farany io no tena tsara hosaintsainina. Rehefa hitanao mantsy hoe mahasoa olona ny asanao, dia amin’izay ianao vao tena ho afa-po. Hoy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Misy olona mandray soa mivantana amin’ny asanao, ohatra hoe ny mpampiasa anao na ny mpanjifa. Tsy izy ireo ihany anefa no mandray soa fa misy hafa koa, anisan’izany ny ankohonanao sy ny olona sahirana.
Ny ankohonanao. Roa, fara fahakeliny, ny soa ho azon’ny ankohonanao, raha miasa mafy ianao mba hamelomana azy ireo. Voalohany, ho afaka hanome an’izay zavatra tena ilainy ianao, izany hoe sakafo sy akanjo ary trano. Raha miasa mafy àry ianao, dia hahavita ‘hanome izay ilain’ny olona tokony ho adidinao.’ Izany no andraikitra napetrak’Andriamanitra taminao. (1 Timoty 5:8) Faharoa, ho hitan’ny ankohonanao fa tena ilaina ny miasa mafy. Hoy i Shane, ilay voaresaka tany aloha: “Tena modely dadanay satria niasa tsara. Niasa mafy foana izy hatramin’izay sady nanao ny marina. Nandrafitra no tena nataony. Nianarako avy taminy hoe hafa mihitsy ny manao asa tanana satria manamboatra zavatra ilain’ny olona ianao amin’ilay izy.”
Ireo sahirana. Nanoro hevitra ny Kristianina ny apostoly Paoly mba “hiasa mafy”, amin’izay izy ireo “hanan-javatra hozaraina amin’izay sahirana.” (Efesianina 4:28) Mety ho afaka hanampy ny sahirana tokoa isika rehefa miasa mafy mba hamelomana ny tenantsika sy ny ankohonantsika. (Ohabolana 3:27) Ho sambatra kokoa àry isika rehefa miasa mafy.
ijwfq lahatsoratra 3
Mino ve Ianareo fa ny Fivavahanareo Ihany no Marina?
Raha zava-dehibe amin’ny olona iray ny fivavahana, dia tokony hihevitra izy fa eken’Andriamanitra sy Jesosy ny fivavahana nofidiny. Raha tsy izany dia tsy ho niditra lalina tamin’izany izy.
Tsy neken’i Jesosy Kristy ilay hoe ny fivavahana, na ny lalana, fotsiny no samihafa fa samy mitarika ho amin’ny famonjena daholo ihany izy rehetra. Hoy kosa izy: ‘Tery ny vavahady ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.’ (Matio 7:14) Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa nahita an’io lalana io. Raha tsy izany dia ho nitady fivavahana hafa izy ireo.
12-18 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 13
Aza Manaiky ho Voafitaky ny “Jiron’ny Ratsy Fanahy”
it-2 57 § 1-2
Jiro
Heviny an’ohatra hafa. Toy ny hoe jiro koa izay ampiasain’ny olona hanazavana ny lalany. Hoy ny ohabolana momba ny tsy fitovian’ny olo-marina sy ny ratsy fanahy: “Ny fahazavan’ny marina hampifaly azy, fa ho faty kosa ny jiron’ny ratsy fanahy.” (Oh 13:9) Hamirapiratra kokoa ny fahazavan’ny marina, fa ny jiron’ny ratsy fanahy kosa hovonoin’Andriamanitra. Ho ao anatin’ny haizina àry izy ka ho tafintohina, na dia toa namirapiratra be aza ny jirony ary toa nandeha tsara ny fiainany. Ho faty koa ny jiron’izay manozona ny rainy sy ny reniny.—Oh 20:20.
Ny hoe ‘ho faty ny jiron’ny’ olona iray dia midika koa hoe tsy hanana hoavy tsara izy. Hoy mantsy ny Ohabolana 24:20: “Tsy hanana hoavy tsara ny olon-dratsy, ary ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy.”
w12 15/7 12 § 3
Manompoa An’ilay Andriamanitra Manome Fahafahana
3 Vitan’i Satana ny nitaona olombelona lavorary sy anjely maro mba handa ny zon’i Jehovah hitondra. Mety ho vitany koa àry ny hitaona antsika. Mbola tsy miova ny tetiny. Ataony izay hahatonga antsika hieritreritra hoe manavesatra ny fitsipik’i Jehovah sady misakana antsika tsy hifalifaly. (1 Jaona 5:3) Mety hisy heriny lehibe amintsika izany toe-tsaina izany, satria izany no toe-tsain’ny olona manodidina antsika. Hoy ny anabavy iray 24 taona: “Nanana naman-dratsy aho, ary tena nisy vokany tamiko izany, satria natahotra aho hampiseho hoe tsy nitovy hevitra tamin’izy ireo.” Nijangajanga izy vokatr’izany. Efa nahatsapa koa ve ianao hoe tena nisy heriny teo aminao ny namana?
w04 15/7 31 § 6
Manao Zavatra Araka ny Fahalalana ny Mahira-tsaina
Hovalian-tsoa ny olon-kendry sy marina, izay manao zavatra araka ny fahalalana marina. Manome toky antsika i Solomona hoe: “Ny marina mihinana ka voky tsara; fa noana ny kibon’ny ratsy fanahy.” (Ohabolana 13:25) Fantatr’i Jehovah izay hahasoa antsika eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika, na eo amin’ny raharaham-pianakaviana izany, na eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa, na eo amin’ny fanompoana, na rehefa mahazo fananarana isika. Azo antoka koa fa hanana ny fomba fiaina tsara indrindra isika, raha hendry ka mampihatra ny torohevitra ao amin’ny Teniny.
26 MEY–1 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 15
Ampio ny Hafa mba ho Falifaly Foana
w10 15/11 31 § 16
Aoka Isika Tsy Hivadika!
16 Tia nandray vahiny i Joba. (Joba 31:31, 32) Afaka ‘miezaka ho tia mandray vahiny’ koa isika, na tsy manankarena aza. (Rom. 12:13) Azontsika aroso na dia zavatra tsotra aza, satria “aleo mihinana anana ao anatin’ny fifankatiavana, toy izay mihinana omby mifahy ao anatin’ny fifankahalana.” (Ohab. 15:17) Sady mahafinaritra no mampahery ny miara-misakafo amin’ny olona tsy mivadika sy be fitiavana, na dia tsotra aza ilay sakafo.
w18.04 23-24 § 16-18
Amin’izao Indrindra Isika no Tokony Hifampahery
16 Aza mieritreritra hoe tsy afaka mampahery ianao satria hoe tsy dia mahay miresaka. Tsy sarotra be mantsy ilay izy. Raha mitsiky fotsiny, ohatra, ianao rehefa miarahaba olona, dia efa mety hampahery azy izany. Ahoana anefa raha tsy mitsiky aminao izy? Mety hidika izany hoe manana olana izy ary mila olona hiresahana. Na mihaino azy fotsiny aza ianao, dia efa mety hanamaivamaivana azy.—Jak. 1:19.
17 Kivy be ny rahalahy tanora atao hoe Henri. Maromaro mantsy ny havany akaiky lasa tsy nanompo an’i Jehovah intsony. Na ny dadany aza niala tamin’ny fahamarinana, nefa anti-panahy. Tsikaritry ny mpiandraikitra ny faritra hoe nalahelo be i Henri. Nentiny nisotro kafe àry izy, dia nohenoiny tsara rehefa namoaka ny tao am-pony. Hitan’i Henri taorian’izay hoe mila tsy mivadika izy, satria izay ihany no azony atao mba hanampiana ny havany hanompo an’i Jehovah indray. Nampahery be azy koa ny namaky ny Salamo faha-46 sy ny Zefania 3:17 ary ny Marka 10:29, 30.
18 Hitantsika avy amin’izay nitranga tamin’i Marthe sy Henri fa afaka mampahery mpiara-manompo mila fampiononana isika rehetra. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Tsara erỳ ny teny lazaina amin’ny fotoana mety! Mahafaly ny fo ny famirapiratan’ny maso, ary ny tatitra tsara mamelombelona aina.” (Ohab. 15:23, 30) Mety hampahery olona kivy koa isika, raha mamaky aminy lahatsoratra avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana na ny tranonkalantsika. Mety hahatsiaro ho maivamaivana koa ilay olona, raha miara-mihira hiran’ilay Fanjakana aminy isika. Hoy mantsy i Paoly: “Mifampianara sy mifananara [na mifampahereza] mandrakariva amin’ny salamo sy ny fiderana an’Andriamanitra ary ny hira mahafinaritra momba an’Andriamanitra, ka mihirà amin’ny fo ho an’i Jehovah.”—Kol. 3:16; Asa. 16:25.
2-8 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 16
Fanontaniana Telo Manampy Antsika Handray Fanapahan-kevitra Tsara
w14 15/1 19-20 § 11-12
Ry Tanora, Mahaiza Misafidy
11 Ny manompo an’i Jehovah no mahasambatra indrindra antsika. (Ohab. 16:20) Toa nanadino an’izany i Baroka mpitan-tsoratr’i Jeremia. Nisy fotoana izy tsy nankafy ny fanompoana intsony. Hoy i Jehovah taminy: “Ianao ... mbola mikatsaka zavatra lehibe ho anao ihany. Aza mikatsaka izany intsony. Fa hahatonga loza amin’ny nofo rehetra aho ... nefa homeko ho babonao kosa ny ainao, any amin’ny toerana rehetra halehanao.” (Jer. 45:3, 5) Ahoana no hevitrao? Inona no tokony ho nataon’i Baroka raha te ho sambatra izy: Mikatsaka zavatra lehibe ve, sa manompo an’i Jehovah foana dia ho tafavoaka velona rehefa horinganina i Jerosalema?—Jak. 1:12.
12 Anisan’ireo rahalahy manampy olona i Ramiro ka sambatra. Hoy izy: “Nahantra izahay ary nipetraka tany amin’ny tanàna iray any amin’ny Tendrombohitra Andes. Nanana tombony be àry aho rehefa nilaza ny zokiko lahy fa vonona hiantoka ny fianarako eny amin’ny oniversite. Vao vita batisa anefa aho, ary nisy mpisava lalana nanasa ahy hanitatra faritany niaraka taminy, tany amin’ny tanàna kely iray. Nandeha tany aho, nianatra nanety, ary izany no nataoko fivelomana. Olona maro no nanaiky rehefa nasainay hianatra Baiboly. Nisy fiangonana vaovao nampiasa tenim-paritra tatỳ aoriana, ka nifindra tany aho. Efa folo taona aho izao no nanompo manontolo andro. Manampy olona hianatra ny vaovao tsara amin’ny fitenin-drazany aho, ka tsapako fa tsy misy asa hafa mahafaly noho izany.”
w13 15/9 17 § 1-3
Efa Niova ve Ianao?
MISY vokany lalina eo amintsika rehetra ny fomba nitaizana antsika, ny kolontsaintsika, ny namantsika, ary ny fiaraha-monina misy antsika. Izany no mahatonga ny olona hanana ny fomba fiakanjony sy ny sakafo tiany ary ny fomba mahazatra azy.
2 Misy zavatra hafa lehibe kokoa noho ny sakafo sy ny fomba fiakanjo anefa. Anisan’izany ny fiheverantsika ny atao hoe tsara sy ratsy. Samy manana ny nitaizana azy ny tsirairay amin’io lafiny io, ka tsy mitovy hevitra. Misy vokany eo amin’ny safidy ataon’ny olona koa ny feon’ny fieritreretany. Milaza ny Baiboly fa matetika no “manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena tsy manana lalàna, satria voajanahary aminy izany.” (Rom. 2:14) Midika ve anefa izany fa rehefa tsy misy lalàna mazava tsara omen’Andriamanitra, dia afaka manaraka fotsiny an’izay nitaizana antsika isika, na izay fanaon’ny olona eo amin’ny misy antsika?
3 Misy antony lehibe roa, fara fahakeliny, mahatonga ny Kristianina tsy hanaraka befahatany ny fomba nitaizana azy na ny fanaon’ny besinimaro. Voalohany, milaza ny Baiboly hoe: “Misy lalana heverin’ny olona ho mahitsy, nefa any amin’ny fahafatesana no iafaran’izany.” (Ohab. 16:25) Tsy mahay mamantatra izay tena hahasoa antsika isika satria tsy lavorary, ka tsy haintsika ny fomba tsara indrindra hitondrana ny fiainantsika. (Ohab. 28:26; Jer. 10:23) Faharoa, asehon’ny Baiboly fa i Satana no “andriamanitr’ity tontolo ity”, ka ataony mifanaraka amin’izay tiany ny zavatra tian’ny besinimaro sy izay heverin’izy ireo fa tsara na ratsy. (2 Kor. 4:4; 1 Jaona 5:19) Mila manaraka ny torohevitra ao amin’ny Romanina 12:2 àry isika, raha te hotahin’i Jehovah sy hahazo sitraka aminy.—Vakio ny Romanina 12:2.
9-15 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 17
Miezaha Hampisy Fihavanana ao An-tokantrano
g 9/14 11 § 2
Aza Mitana Lolompo
Miezaha handini-tena amin’ny saina tsy miangatra. Milaza ny Baiboly fa misy olona “mora tezitra” sy “mora misafoaka.” (Ohabolana 29:22) Hoatr’izany koa ve ianao? Saintsaino hoe: ‘Izaho ve mora tohina? Matetika ve aho no kizitina na sarotsarotiny amin-javatra tsy dia misy dikany?’ Hoy ihany ny Baiboly: ‘Izay mbola miresaka momba ny raharaha efa nivalona dia mampisaraka ny tena mpinamana.’ (Ohabolana 17:9; Mpitoriteny 7:9) Tsy ny mpinamana ihany no mety hisaraka amin’izany fa ny mpivady koa. Raha tsapanao àry fa mora tezitra ianao, dia mieritrereta hoe: ‘Mba afaka mandefitra kokoa amin’ny vadiko ve aho?’—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Petera 4:8.
w08 1/5 10 § 6–11 § 1
Famahana Olana
1. Manokàna fotoana hiresahana momba ilay olana. “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy ... ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana.” (Mpitoriteny 3:1, 7) Mety hahatezitra na hampalahelo mafy ny olana sasany, araka ny hita amin’ilay fifamaliana voaresaka etsy aloha. Izao atao raha mitranga izany: Mahaiza mifehy tena ka ajanòny aloha ilay resaka mba hisian’ny ‘fahanginana’, dieny mbola tsy misy misafoaka. Hiaro ny fifandraisanareo tsy ho simba be ianareo, raha manaraka ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Ny fiandoham-pifandirana dia toy ny mamaky toha-drano; koa ajanòny izany dieny tsy mbola mihombo ny ady.”—Ohabolana 17:14, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.
Ao koa anefa ny “andro itenenana.” Mitombo haingana toy ny ahidratsy mantsy ny olana, rehefa tsy raharahaina. Aza odiana tsy hita àry ilay izy, na heverina fa hiravona fotsiny amin’izao. Raha najanonao ny resaka nifanaovanareo momba ny olana iray, dia mifidiana fotoana mba hiresahana an’ilay izy indray, tsy ela aorian’izay. Ho fanajana ny vadinao izany, sady hanampy anareo hampihatra ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” (Efesianina 4:26) Mazava ho azy fa mila mitana ny teny nataonao ianao, ka hiresaka momba ilay olana rehefa tonga ny fotoana.
16-22 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 18
Manaova Teny Mampahery Amin’ireo Tsy Salama
mrt lahatsoratra 19, efajoro
Inona no Azonao Atao Raha Lasa Narary Tampoka Ianao na ny Olona Akaiky Anao?
Henoy tsara izy. Anisan’ny fomba tsara indrindra hanampiana azy ny mihaino tsara azy rehefa te hiresaka izy. Aza mieritreritra hoe tsy maintsy valianao daholo izay zavatra rehetra lazainy. Matetika dia ilay ianao mihaino azy fotsiny dia efa ampy. Aza mitsaratsara azy. Aza tonga dia mieritreritra hoe azonao ny zavatra tsapany, indrindra raha tsy hita etỳ ivelany hoe marary izy.—Ohabolana 11:2.
Milazà teny mampahery. Raha tsy hainao izay hotenenina, dia afaka miteny fotsiny ianao hoe tsapanao fa mafy ny mahazo azy. Azo inoana fa hampahery azy izany, noho ny hoe mangina fotsiny ianao. Ahoana anefa raha tsy hitanao mihitsy izay holazaina? Afaka miteny zavatra tsotra nefa avy amin’ny fo ianao, ohatra hoe: “Tena tsy hitako izay holazaina, fa tadidio hoe tiako foana ianao dia te hanampy aho.” Tandremo sao milaza teny toy ny hoe: “Soa ihany fa tsy dia voa mafy ianao fa mety ho mbola ho ratsy noho izao aza”, na hoe “Zaranao aza tsy...”
Asehonao hoe miahy an’ilay namanao ianao, raha miezaka hahafantatra momba an’ilay aretina mahazo azy. Mety ho faly izy amin’izay hoe miezaka hahazo an’izay manjo azy ianao. Mba tena hanampy azy koa amin’izay ny zavatra lazainao. (Ohabolana 18:13) Tandremo anefa sao dia manome soso-kevitra, raha ohatra izy tsy nangataka an’izany akory.
Manaova zavatra mba hanampiana azy. Aza tonga dia mieritreritra hoe hainao ny fomba hanampiana azy, fa aleo manontany aloha. Tadidio anefa fa mety hiteny izy hoe tsy mila fanampiana, satria tsy te hanahirana olona. Raha izany no mitranga, dia lazao aminy izay azonao atao mba hanampiana azy, ohatra hoe miantsena, manadio, na manao zavatra hafa.—Galatianina 6:2.
Aza kivy. Mety hilaza ilay namanao indraindray hoe tsy afaka izy amin’ilay fotoananareo na hoe tsy te hiresaka izy. Miezaha hahazo ny manjo azy, ary miezaha hanam-paharetana. Aza kivy mihitsy manontany hoe sao mila fanampiana izy.—Salamo 18:24.
wp23.1 14 § 3–15 § 1
Ahoana no Hanampiana An’ireo Tratran’ny Aretin-tsaina?
Miezaha “hampahery.”—1 TESALONIANINA 5:14.
Mety hitebiteby be na hahatsiaro tena ho tsy misy vidiny ny namanao. Omeo toky àry izy hoe miahy azy ianao. Hampionona sy hampahery azy izany, na dia tsy tena hitanao aza izay hotenenina.
“Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana.”—OHABOLANA 17:17.
Manaova zavatra mba hanampiana azy. Aza tonga dia mieritreritra hoe hainao izay ilainy, fa anontanio izy hoe inona no azonao atao. Ahoana anefa raha sarotra amin’ilay namanao ny manazava an’izay ilainy? Maninona raha anontaniana izy hoe sao dia misy zavatra azonareo iarahana, ohatra hoe miara-mandehandeha? Na azonao atao ny miantsena ho azy, manadio ny tranony, na manao raharaha hafa.—Galatianina 6:2.
‘Manàna faharetana.’—1 TESALONIANINA 5:14.
Mety tsy te hiresaka ilay namanao indraindray. Omeo toky anefa izy hoe ho faly hihaino azy foana ianao rehefa te hiresaka izy. Mety hilaza na hanao zavatra mandratra ny fonao izy noho ilay aretiny, ohatra hoe lasa kizitina, na tsy tonga tampoka amin’ilay fotoananareo. Manàna faharetana ary miezaha hahazo an’izay manjo azy rehefa manampy azy ianao.—Ohabolana 18:24.