LAHATSORATRA FIANARANA 9
HIRA 51 Nanokan-tena ho An’i Jehovah
Inona no Mampisalasala Anao Tsy Hatao Batisa?
“Inona no andrasanao? Mitsangàna, ary aoka hatao batisa ianao.”—ASA. 22:16.
HEVITRA HODINIHINA
Handrisika anao ho tapa-kevitra ny hatao batisa ny ohatry ny Samaritanina, Saoly avy any Tarsosy, Kornelio, ary ny Korintianina.
1. Milazà antony sasany tokony hanaovana batisa anao.
TIANAO ve i Jehovah Andriamanitra, ilay nanome anao ny fanomezana tsara rehetra, anisan’izany ny ainao? Raha manokan-tena ho azy sy atao batisa ianao dia izany no fomba tsara indrindra hanaporofoanao hoe tianao izy. Ho lasa anisan’ny fianakavian’i Jehovah ianao amin’izay. Hitarika anao sy hikarakara anao ilay Rainao sady Namanao satria efa lasa fananany ianao. (Sal. 73:24; Isaia 43:1, 2) Ho afaka hanantena ny hankafy fiainana mandrakizay koa ianao rehefa avy nanokan-tena sy natao batisa.—1 Pet. 3:21.
2. Inona no hodinihintsika ato?
2 Misy zavatra misakana anao tsy hatao batisa ve? Tsy ianao irery no hoatr’izany. Olona an-tapitrisany no tsy maintsy nanova ny fitondran-tenany sy ny fomba fisainany mba hahafeno fepetra hatao batisa. Faly manompo an’i Jehovah anefa ry zareo izao sady mafana fo. Inona no azonao ianarana avy amin’ny olona sasany natao batisa tamin’ny taonjato voalohany? Handinika ny olana natrehin’izy ireo isika, sady hianatra avy amin’ny modely nomeny.
NATAO BATISA NY SAMARITANINA
3. Inona avy ny olana mety ho nisakana ny Samaritanina sasany tsy hatao batisa?
3 Ny hoe Samaritanina, tamin’ny andron’i Jesosy, dia nilazana an’ireo olona anisan’ilay antokom-pinoana teny akaikin’i Sekema sy Samaria fahiny, any avaratr’i Jodia. Tsy maintsy nahalala tsara kokoa ny Tenin’Andriamanitra ry zareo vao azo natao batisa. Ny boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly ihany mantsy no neken’ny Samaritanina hoe avy amin’ny fanahy masina, izany hoe ny Genesisy hatramin’ny Deoteronomia, ary ny bokin’i Josoa koa angamba. Nanantena ny hahatongavan’ny Mesia koa anefa ny Samaritanina satria izay no nampanantenain’Andriamanitra ao amin’ny Deoteronomia 18:18, 19. (Jaona 4:25) Raha te hatao batisa ry zareo dia tsy maintsy nanaiky hoe i Jesosy ilay Mesia nampanantenaina. “Be dia be ny Samaritanina” nanaiky an’izany. (Jaona 4:39) Efa ela koa ny Samaritanina sy ny Jiosy no nifankahala, dia tsy maintsy nanova ny fiheverany ny Jiosy ny Samaritanina sasany.—Lioka 9:52-54.
4. Ahoana no nataon’ny Samaritanina sasany rehefa nitorian’i Filipo, araka ny Asan’ny Apostoly 8:5, 6, 14?
4 Inona no nanampy ny Samaritanina hatao batisa? Nisy Samaritanina “nanaiky ny tenin’Andriamanitra” rehefa “nitory momba an’i Kristy” i Filipo, mpitory ny vaovao tsara. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:5, 6, 14.) Jiosy izy nefa nanaiky hihaino azy ry zareo. Tsaroan-dry zareo angamba ny andinin-teny mampiseho hoe tsy manavakavaka Andriamanitra, ao amin’ny Boky Dimy Voalohany. (Deot. 10:17-19) “Nihaino tsara an’izay nolazain’i Filipo” momba an’i Kristy ry zareo sady neken’izy ireo ny porofo mazava hoe irak’Andriamanitra i Filipo. Nanao famantarana be dia be koa izy, anisan’izany ny hoe nanasitrana ny marary sy namoaka demonia.—Asa. 8:7.
5. Inona no ianaranao avy amin’ny Samaritanina?
5 Azon’ireo Samaritanina ireo natao fialan-tsiny tsy handrosoana ilay ry zareo tsy ampy fahalalana, sy ilay disadisa teo amin-dry zareo sy ny Jiosy. Tsy nataon-dry zareo sakana anefa izany. Tsy nangataka andro ry zareo fa tonga dia natao batisa rehefa resy lahatra hoe marina ny zavatra nampianarin’i Filipo. Mitantara ny Baiboly hoe: “Nino an’i Filipo ... izy ireo, tamin’izy nitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy momba ny anaran’i Jesosy Kristy. Dia natao batisa izy ireo, na lahy na vavy.” (Asa. 8:12) Ary ianao? Resy lahatra ve ianao hoe marina ny Tenin’Andriamanitra? Resy lahatra koa ve ianao hoe miezaka be ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mifankahala sady tena mifankatia? Izany mantsy no amantarana ny tena Kristianina. (Jaona 13:35) Aza matahotra ny hatao batisa àry dia matokia hoe hitahy anao i Jehovah.
6. Inona no ianaranao avy amin’i Ruben?
6 Zanaka Vavolombelon’i Jehovah i Ruben, mipetraka any Alemaina. Nisalasala izy tamin’izy tanora hoe tena misy i Jehovah sa tsia. Ahoana no nataony mba tsy hisalasala intsony? Tsy nipetra-potsiny izy rehefa hitany hoe tsy ampy ny zavatra fantany. Izao no lazainy: “Nianatra samirery aho mba hahalalako ny marina momba ny evolisiona, ary imbetsaka aho no nianatra momba an’ilay izy.” Novakin’i Ruben ilay boky hoe Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve? ary nisy vokany be taminy ilay izy. Niaikiaiky izy hoe tena misy kay i Jehovah! Rehefa nitsidika ny foibe koa i Ruben dia gaga izy hoe miray saina be ny mpiara-manompo avy amin’ny firenena samihafa dia vao mainka tiany be izany. Natao batisa izy tamin’izy 17 taona, rehefa niverina tany Alemaina. Raha misy mampisalasala anao koa ny zavatra nampianarina anao, dia aza avela amin’izao fotsiny izany fa manaova fikarohana ao amin’ny bokintsika. Tsy hisalasala intsony ianao rehefa manana “fahalalana marina tsara.” (Efes. 4:13, 14, f.a.p.) Vao mainka koa ho tianao ny mpiara-manompo maneran-tany rehefa maheno fitantarana avy any an-tany hafa ianao, sy mahita ao amin’ny fiangonanao hoe mifankatia sy miray saina ny vahoakan’i Jehovah.
NATAO BATISA I SAOLY AVY ANY TARSOSY
7. Inona ny toe-tsaina tsy maintsy nahitsin’i Saoly?
7 Handinika ny ohatr’i Saoly avy any Tarsosy isika izao. Nandroso be tamin’ny Fivavahana Jiosy izy sady nanana toerana ambony teo amin’ny fiaraha-monina jiosy. (Gal. 1:13, 14; Fil. 3:5) Nanenjika mafy ny Kristianina i Saoly satria noheverin’ny Jiosy maro ho mpivadi-pinoana ry zareo tamin’izany. Nihevitra i Saoly hoe nanao ny sitrapon’Andriamanitra nefa diso hevitra izy. (Asa. 8:3; 9:1, 2; 26:9-11) Tsy maintsy vonona ny henjehina izy raha te hino an’i Jesosy sy ho lasa Kristianina vita batisa.
8. a) Inona no nanampy an’i Saoly hatao batisa? b) Ahoana no nanampian’i Ananiasy an’i Saoly, araka ny Asan’ny Apostoly 22:12-16? (Jereo koa ny sary.)
8 Inona no nanampy an’i Saoly hatao batisa? Lasa jamba i Saoly rehefa niseho taminy i Jesosy Tompo nomem-boninahitra. (Asa. 9:3-9) Nifady hanina nandritra ny telo andro izy, dia azo antoka hoe nisaintsaina an’ilay zavatra vao avy niainany. Resy lahatra i Saoly hoe tena i Jesosy tokoa no Mesia dia ny mpanara-dia azy no nanaraka ny fivavahana marina. Nanenina be izao i Saoly satria nandray anjara tamin’ny famonoana an’i Stefana! (Asa. 22:20) Tsara fanahy ilay mpianatra atao hoe Ananiasy rehefa nanampy an’i Saoly. Nanatona azy izy rehefa tapitra ilay telo andro, dia nanasitrana ny masony sy nampirisika azy hatao batisa tsy misy hataka andro. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 22:12-16.) Nanetry tena i Saoly ka nanaiky hampiana ary nanomboka fiainam-baovao.—Asa. 9:17, 18.
Hanaiky hoatran’i Saoly ve ianao rehefa ampirisihina hatao batisa? (Fehintsoratra 8)
9. Inona no ianaranao avy amin’i Saoly?
9 Inona no ianarantsika avy amin’i Saoly? Mety tsy ho nanaiky hatao batisa i Saoly raha be hambom-po na natahotra olona. Tsy navelany hisakana azy anefa izany. Nanetry tena izy dia nanova ny fomba fiainany rehefa nanaiky ny marina momba an’i Kristy. (Asa. 26:14, 19) Vonona ny ho lasa Kristianina izy na dia fantany aza hoe tsy maintsy henjehina. (Asa. 9:15, 16; 20:22, 23) Mbola niantehitra tamin’i Jehovah foana izy taorian’ny batisany mba hahavitany hiaritra fitsapana isan-karazany. (2 Kor. 4:7-10) Mety hiatrika fitsapam-pinoana na olana koa ianao rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa, nefa matokia hoe hanohana anao foana Andriamanitra sy Kristy.—Fil. 4:13.
10. Inona no ianaranao avy amin’i Anna?
10 Mipetraka any Eoropa Atsinanana i Anna. Rehefa vita batisa ny mamany dia niera tamin’ny dadany izy ka nanomboka nianatra Baiboly, tamin’izy 9 taona. Niara-nipetraka tamin’ny fianakaviambeny izy mianakavy. Tezitra ireo havany ireo rehefa nianatra Baiboly i Anna. Manala baraka, hono, izany miala amin’ny fivavahan-drazana izany. Niera tamin’ny dadany i Anna hoe te hatao batisa, tamin’izy 12 taona. Tian’ny dadany ho fantatra hoe safidiny ve ilay izy sa nisy nanery azy. Hoy i Anna tamin’ny dadany: “Tiako i Jehovah.” Nanaiky àry ny dadany. Nesoesoin’ny havany sy nampijaliny i Anna taorian’izay. Nisy tamin-dry zareo niteny hoe: “Aleoko mieritreritra anao hoe mijangajanga sy mifoka sigara toy izay lasa Vavolombelon’i Jehovah!” Ahoana no niatrehan’i Anna an’izany? Izao no lazainy: “Nanome hery ahy i Jehovah dia i Dada sy Neny koa nanohana be ahy.” Raisin’i Anna an-tsoratra daholo ny fotoana nahatsapany hoe teo ny tanan’i Jehovah. Jereny tsindraindray ilay izy, amin’izay tsy hadinony ny fomba nanampian’i Jehovah azy. Raha matahotra fanoherana koa ianao dia tadidio hoe hanampy anao i Jehovah.—Heb. 13:6.
NATAO BATISA I KORNELIO
11. Hoatran’ny ahoana ny fiainan’i Kornelio?
11 Miresaka momba an’i Kornelio koa ny Baiboly. “Manamboninahitra” izy ary nibaiko miaramila 100 teo ho eo tao amin’ny tafika romanina. (Asa. 10:1, f.a.p.) Mety ho olona ambonimbony teo amin’ny fiaraha-monina sy tao amin’ny tafika izany izy. “Nanome zavatra be dia be ho fiantrana ny mahantra” koa izy. (Asa. 10:2) Nirahin’i Jehovah hitory ny vaovao tsara taminy ny apostoly Petera. Navelan’i Kornelio hisakana azy tsy hatao batisa ve ny toerana notanany?
12. Inona no nanampy an’i Kornelio hatao batisa?
12 Inona no nanampy an’i Kornelio hatao batisa? Resahin’ny Baiboly hoe: “Natahotra an’Andriamanitra izy sy ny ankohonany manontolo.” Nitalaho tsy tapaka tamin’Andriamanitra koa izy. (Asa. 10:2) Rehefa nitory ny vaovao tsara tamin’i Kornelio i Petera, dia nino an’i Kristy izy sy ny fianakaviany ary tonga dia natao batisa. (Asa. 10:47, 48) Azo antoka hoe vonona hanao an’izay fanovana nilainy i Kornelio mba hahafahany hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ny fianakaviany.—Jos. 24:15; Asa. 10:24, 33.
13. Inona no ianaranao avy amin’i Kornelio?
13 Afaka nieritreritra hoatran’i Saoly i Kornelio hoe tsy ho lasa Kristianina izy noho ny toerana tanany. Tsy navelany hisakana azy anefa izany. Ary ianao? Mila manao fanovana be koa ve ianao mba hampisehoana hoe manaiky ny fahamarinana? Raha izany dia i Jehovah no ho Mpanampy anao. Hotahiny ianao raha tapa-kevitra ny hanompo azy mifanaraka amin’ny torolalan’ny Baiboly.
14. Inona no ianaranao avy amin’i Tsuyoshi?
14 Nila nanao fanovana teo amin’ny asany i Tsuyoshi, any Japon, mba hahafeno fepetra hatao batisa. Mpanampy ny talen’ny sekoly Ikenobo, fianarana mandamina fehezam-boninkazo, izy. Io tale io no mpanao fehezam-boninkazo ampiasaina amin’ny fombafomba bodista rehefa misy fandevenana. Rehefa tsy afaka àry ilay tale, dia i Tsuyoshi matetika no misolo tena azy amin’ilay fombafomba bodista. Nianatra ny marina momba ny maty anefa i Tsuyoshi. Tsy hahafeno fepetra hatao batisa izy raha mbola manao an’ilay fombafomba. Nanapa-kevitra izy hoe tsy hanao an’ireny intsony dia niresaka tamin’ilay tale. (2 Kor. 6:15, 16) Inona no vokany? Mbola afaka nanao an’ilay asany ihany izy nefa tsy voatery nandray anjara tamin’ilay fombafomba. Natao batisa izy, herintaona teo ho eo taorian’ny nanombohany nianatra Baiboly. Raha mila manao fanovana amin’ny asanao koa ianao mba hampifaliana an’Andriamanitra, dia matokia hoe hanome an’izay ilainao sy ny fianakavianao izy.—Sal. 127:2; Mat. 6:33.
NATAO BATISA NY KORINTIANINA
15. Inona ny olana mety ho nisakana ny Korintianina tsy hatao batisa?
15 Nalaza ho tia vola sy nanaram-po tamin’ny fitondran-tena ratsy ny olona tany Korinto fahiny. Betsaka tamin-dry zareo no nanana fomba fiaina tsy nankasitrahan’Andriamanitra. Tsy maintsy hoe sarotra be ny nanaiky ny vaovao tsara raha hoatr’izany ny manodidina anao. Rehefa nankany sy nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy anefa ny apostoly Paoly dia “lasa mpino ny ankamaroan’ny Korintianina naheno [an’izany] ka natao batisa.” (Asa. 18:7-11) Niseho tamin’i Paoly tao amin’ny fahitana i Jesosy Kristy Tompo taorian’izay dia niteny hoe: “Manana olona be dia be ato amin’ity tanàna ity ... aho.” Mbola nitory tany nandritra ny herintaona sy tapany àry i Paoly.
16. Inona no nanampy ny Korintianina sasany hiova sy hatao batisa? (2 Korintianina 10:4, 5)
16 Inona no nanampy ny Korintianina hatao batisa? (Vakio ny 2 Korintianina 10:4, 5.) Nanampy azy ireo hanao fiovana lehibe ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny mahery. (Heb. 4:12) Nahavita niala tamin’ny fahazaran-dratsy ny Korintianina nanaiky ny vaovao tsara momba an’i Kristy. Vitan’izy ireo, ohatra, ny niala tamin’ny fimamoana, fangalarana, ary ny firaisan’ny samy lehilahy sy samy vehivavy.—1 Kor. 6:9-11.a
17. Inona no ianaranao avy amin’ny Korintianina?
17 Marina fa nanana fahazarana efa raiki-tampisaka taminy ny olona sasany tany Korinto. Mariho anefa fa tsy nieritreritra mihitsy ry zareo hoe tsy afaka ny ho lasa Kristianina. Niezaka be ry zareo mba handeha amin’ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana mandrakizay. (Mat. 7:13, 14) Ary ianao? Misy fahazaran-dratsy misakana anao tsy hatao batisa koa ve, ary miady mafy amin’ilay izy ianao? Aza milavo lefona. Mangataha fanahy masina amin’i Jehovah mba hanampy anao hankahala ny ratsy.
18. Inona no ianaranao avy amin’i Monika?
18 Mariho ny tantaran’i Monika, any Géorgie. Niady mafy izy mba tsy hampiasa teny maloto sy tsy hanao fialam-boly ratsy intsony satria te hatao batisa. Izao no lazainy: “Ny vavaka no tena nanampy ahy tamin’izaho tanora. Hain’i Jehovah hoe te hanao ny tsara aho dia nanampy ahy sy nitari-dalana ahy foana izy.” Natao batisa i Monika tamin’izy 16 taona. Misy fahazaran-dratsy tsy maintsy ialanao koa ve mba hahafahanao manompo an’i Jehovah? Angataho foana izy mba hanome anao ny hery hiovana. Malala-tanana i Jehovah rehefa manome ny fanahiny masina.—Jaona 3:34.
HAHAFINDRA TENDROMBOHITRA IANAO RAHA MANAM-PINOANA
19. Inona no hanampy anao handresy olana be toy ny tendrombohitra? (Jereo koa ny sary.)
19 Matokia hoe tena tia anao i Jehovah dia tiany ho anisan’ny fianakaviany ianao. Na inona na inona olana mety hisakana anao tsy hatao batisa dia izany foana no tsapan’i Jehovah aminao. Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany vitsivitsy tamin’ny taonjato voalohany: “Raha manana finoana ianareo, na faran’izay kely hoatran’ny voan-tsinapy aza, ka hiteny amin’irỳ tendrombohitra irỳ hoe: ‘Mifindrà erỳ’, dia hifindra ilay izy. Ary tsy hisy tsy ho vitanareo.” (Mat. 17:20) Vao taona vitsivitsy fotsiny ireo olona nihaino an’i Jesosy ireo no niaraka taminy dia mbola nila nampitomboina ny finoan’izy ireo. Nanome toky anefa i Jesosy hoe raha ampy tsara ny finoan’izy ireo dia hanampy an-dry zareo handresy olona be toy ny tendrombohitra i Jehovah. Hampian’i Jehovah hoatr’izany koa ianao.
Matokia hoe tena tia anao i Jehovah dia tiany ho anisan’ny fianakaviany ianao (Fehintsoratra 19)b
20. Nanampy anao ve ny ohatr’ireo Kristianina taloha sy amin’izao noresahina tato? Hazavao.
20 Raha hitanao hoe misy olana misakana anao tsy hatao batisa dia aza avela amin’izao fotsiny ilay izy fa manaova zavatra haingana. Tadidio ny ohatry ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany sy amin’izao fa hanome hery anao izany. Enga anie hampahery anao ny modelin’izy ireo sady handrisika anao hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa! Izany no fanapahan-kevitra tsara indrindra azonao atao.
HIRA 38 Izy no Hampahery Anao
a Jereo ao amin’ny jw.org ilay video hoe ‘Inona no Misakana Anao Tsy Hatao Batisa?’
b FANAZAVANA SARY: Rahalahy sy anabavy maromaro faly mitsena an’ireo vao vita batisa.