FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 12:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary niseho tamin’i Abrama i Jehovah, ka niteny hoe: “Ny taranakao+ no homeko ity tany ity.”+ Avy eo i Abrama dia nanorina alitara teo ho an’i Jehovah, izay niseho taminy.

  • Genesisy 15:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary naneho finoana an’i Jehovah izy,+ ka neken’Andriamanitra ho isan’ny olo-marina.+

  • Genesisy 17:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary tsy hatao hoe Abrama* intsony ny anaranao, fa hiova hoe Abrahama,* satria hataoko rain’ny firenena maro ianao.

  • Genesisy 18:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Efa fantatro tsara izy izao. Koa handidy ny ankohonany sy ny zanany handimby azy izy, mba hanarahan’ireny ny lalan’i Jehovah amin’ny fanaovana izay marina sy mahitsy.+ Amin’izay dia hotanterahin’i Jehovah amin’i Abrahama izay efa nolazainy momba azy.”+

  • Jaona 8:39
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 39 Ary hoy ireo: “I Abrahama no rainay.”+ Dia hoy i Jesosy: “Ataovy àry ny asan’i Abrahama raha zanak’i Abrahama ianareo.+

  • Romanina 4:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Ary nahazo famantarana+ izy, dia ny famorana, ho tombo-kasen’ny fahamarinana noho ny finoana nananany fony izy mbola tsy voafora. Eny, nahazo ilay famantarana izy mba hahatongavany ho rain’izay+ rehetra manam-pinoana+ nefa tsy voafora, ka hanekena an’ireny ho isan’ny olo-marina,

  • Galatianina 3:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Tamin’i Abrahama sy tamin’ny taranany no nilazana ny fampanantenana.+ Tsy voalaza hoe: “Ary ho an’ireo taranaka”, toy ny milaza maro, fa toy ny milaza tokana,+ dia hoe: “Ary ho an’ny taranakao”,+ dia i Kristy+ izany.

  • Hebreo 11:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Finoana no nahatonga an’i Abrahama ho tonga hatramin’ny fanolorana an’i Isaka rehefa notsapaina+ izy. Vonona hanolotra ny zanany lahitokana+ ilay lehilahy izay faly nahazo ny fampanantenana. Vonona hanao izany izy,

  • Jakoba 2:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Tanteraka àry ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina hoe: “I Abrahama naneho finoana an’i Jehovah, ka neken’Andriamanitra ho isan’ny olo-marina izy.”+ Koa nantsoina hoe “naman’i Jehovah” izy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara