FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 25:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 “‘Raha mihamahantra ny rahalahinao, ka voatery mivarotra ny ampahany amin’ny taniny, dia ny havany akaiky izay afaka manavotra azy no hividy indray izay namidin’ny rahalahiny.+

  • Deoteronomia 15:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 “Raha misy amin’ny rahalahinao lasa mahantra ao amin’ny iray amin’ny tanànanao, ao amin’ny taninao izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy fo, ary aza mafy tanana amin’ny rahalahinao mahantra.+

  • Salamo 41:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 41 Sambatra izay miahy ny mahantra,+

      Fa i Jehovah hamonjy azy amin’ny andro mahory.+

  • Ohabolana 14:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Ankahalaina ny mahantra, ary na ny namany aza mankahala azy,+ fa maro kosa ny naman’ny mpanankarena.+

  • Ohabolana 17:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Izay manesoeso ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy.+ Tsy ho afa-maina fa ho voasazy izay faly amin’ny fahavoazan’ny hafa.+

  • Ohabolana 19:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an’i Jehovah,+ ary Izy no hanonitra an’izay nafoin’ilay olona.+

  • Marka 14:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Fa eo aminareo foana ny mahantra,+ ka isaky ny te hanao soa aminy ianareo, dia afaka manao izany. Fa izaho kosa tsy ho eo aminareo foana.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara