9 Fa efa hitantsika i Jesosy, izay efa natao ambany kely noho ny anjely,+ sady misatroka voninahitra+ sy haja noho izy efa nandia fahafatesana,+ mba ho faty ho an’ny rehetra noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.+
7 Fa ny mpisoronabe irery ihany kosa no miditra indray mandeha isan-taona+ ao amin’ilay efitra faharoa. Ary tsy miditra ao izy raha tsy mitondra ra,+ izay atolony noho ny amin’ny tenany+ sy noho ny fahotana nataon’ny vahoaka+ vokatry ny tsy fahalalany.
12 no nidirany. Ary tsy ran’osilahy sy ran’ny vantotr’ombilahy no nentiny niditra, fa ny ran’ny tenany mihitsy,+ ka niditra indray mandeha monja tao amin’ny toerana masina izy, ary nahazo fanafahana mandrakizay ho antsika.+