Salamo 103:12 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 12 Fa toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana,*+No anesorany ny fahotantsika ho lavitra antsika.+ Ezekiela 18:22 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 22 Tsy hotsarovana intsony ny fahadisoana rehetra vitany,+ ary tsy hanamelohana azy intsony izany. Koa ho velona izy, noho ny fahamarinany.’+ Mika 7:19 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 19 Hamindra fo+ amintsika indray izy, ary horeseny ny fahadisoantsika.+ Ary hatsipinao any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.+ Hebreo 13:12 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 12 Nijaly tany ivelan’ny vavahady+ koa i Jesosy, mba hanamasinany+ ny vahoaka amin’ny alalan’ny rany.+
12 Fa toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana,*+No anesorany ny fahotantsika ho lavitra antsika.+
22 Tsy hotsarovana intsony ny fahadisoana rehetra vitany,+ ary tsy hanamelohana azy intsony izany. Koa ho velona izy, noho ny fahamarinany.’+
19 Hamindra fo+ amintsika indray izy, ary horeseny ny fahadisoantsika.+ Ary hatsipinao any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.+
12 Nijaly tany ivelan’ny vavahady+ koa i Jesosy, mba hanamasinany+ ny vahoaka amin’ny alalan’ny rany.+