FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 15:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary nitondra azy nankeo ivelany izy, ka niteny hoe: “Mba jereo ange ny lanitra e! Ary isao ny kintana, raha mahisa azy ianao.”+ Hoy koa izy taminy: “Ho tahaka izany ny taranakao.”+

  • Eksodosy 12:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Ary niala tao Ramesesa+ mba ho any Sokota+ ny zanak’Israely, dia vatan-dehilahy enina hetsy nandeha an-tongotra, ankoatra ny zaza madinika.+

  • Eksodosy 38:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Ny antsasaky ny sekely izay nomen’ny tsirairay, dia ny antsasa-tsekely araka ny sekelin’ny toerana masina. Nanome izany ny lehilahy rehetra voasoratra anarana, izay roapolo taona no ho miakatra.+ Dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy ny isan’izy ireo.+

  • Nomery 1:46
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 46 eny, izay rehetra voasoratra anarana, dia dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy.+

  • Nomery 11:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Ary hoy i Mosesy: “Ny vahoaka manodidina ahy dia misy lehilahy enina hetsy+ mandeha an-tongotra, nefa ianao nilaza hoe: ‘Homeko hena izy ireo, ka hihinan-kena tokoa mandritra ny iray volana maninjitra’!

  • Nomery 14:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Atỳ amin’ity tany efitra ity no hiampatramparan’ny fatinareo.+ Ho faty tokoa ianareo rehetra voasoratra anarana, izay roapolo taona no ho miakatra, dia ianareo izay nimenomenona tamiko.+

  • Nomery 26:51
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 51 Ireo no voasoratra anarana tamin’ny zanak’Israely, dia telopolo sy fitonjato sy arivo sy enina hetsy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara