FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 3:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ary i Mosesy lasa mpiandry ny andian’ondrin’i Jetro+ rafozany,+ izay mpisorona tany Midianina. Ary nitondra ny andian’ondry ho any amin’ny ilany andrefan’ny tany efitra izy, ka tonga tany Horeba,+ tendrombohitr’ilay tena Andriamanitra,+ tamin’ny farany.

  • Eksodosy 19:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ary niakatra nankany amin’Andriamanitra i Mosesy. Dia niantso azy avy teo amin’ilay tendrombohitra i Jehovah,+ ka nanao hoe: “Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakoba sy hoteneninao amin’ny zanak’Israely:

  • Eksodosy 24:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Nitoetra teo an-tendrombohitra Sinay+ ny voninahitr’i Jehovah.+ Ary nanarona an’ilay tendrombohitra ny rahona nandritra ny enina andro. Farany, tamin’ny andro fahafito, dia niantso an’i Mosesy avy tao afovoan’ny rahona izy.+

  • Deoteronomia 5:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Nanao fifanekena tamintsika i Jehovah Andriamanitsika, tany Horeba.+

  • 1 Mpanjaka 19:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Dia niarina i Elia ka nihinana sy nisotro, ary nahazo hery avy tamin’izany ka nanohy ny diany efapolo andro+ sy efapolo alina, ary tonga hatrany Horeba, tendrombohitr’ilay tena Andriamanitra.+

  • Malakia 4:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 “Tsarovy ny lalàn’i Mosesy mpanompoko, dia ny fitsipika sy didim-pitsarana,+ izay nandidiako azy tao Horeba ho an’ny Israely rehetra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara