FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 23:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 “Ento mankao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao ny tsara indrindra amin’ny voaloham-bokatry ny taninao.+

      “Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.+

  • Levitikosy 2:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “‘Raha fanatitra varimbazaha avy amin’ny voaloham-bokatra no atolotrao ho an’i Jehovah, dia tokony ho salohy maitso natono izany, eny, voa vaovao nototoina nefa tsy natao vovony. Hatolotrao ho fanatitra varimbazaha avy amin’ny voaloham-bokatrao izany,+

  • Nomery 18:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Efa nomeko anao izay tsara indrindra amin’ny menaka sy ny divay vaovao ary ny varimbazaha, dia ny voaloham-bokatra+ homeny an’i Jehovah.+

  • Deoteronomia 26:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 dia makà amin’ny voaloham-bokatra+ rehetra avy amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, ka ataovy ao anaty harona ary ento mankany amin’izay toerana hofidin’i Jehovah Andriamanitrao hampitoerana ny anarany.+

  • Deoteronomia 26:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Koa intỳ aho mitondra ny voaloham-bokatry ny tany izay nomen’i Jehovah ahy.’+

      “Dia hametraka izany eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao.+

  • Nehemia 10:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Ary hoentinay any amin’ny mpisorona ao amin’ny efitra fisakafoana+ ao an-tranon’Andriamanitray ny santatry ny varimbazahanay tsy nototoina malemy,+ sy ny fanomezanay+ sy ny vokatry ny karazan-kazo rehetra,+ sy ny divay vaovao+ ary ny menaka.+ Ary hatolotray ho an’ny Levita ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay,+ satria ny Levita no mandray ny ampahafolony, any amin’ny tanàna rehetra anaovanay fambolena.

  • Ohabolana 3:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Manomeza voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao+ sy amin’ny voaloham-bokatrao rehetra,+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara