FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 13:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Tao anatin’io fotoana io, dia nisy lehilahy atao hoe Manoa+ tany Zora.+ Anisan’ny fianakavian’ny Danita+ izy, ary momba ny vadiny ka tsy nanan-janaka.+

  • Mpitsara 13:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Tatỳ aoriana, dia nitera-dahy ravehivavy, ka nataony hoe Samsona+ ny anarany. Nihalehibe ilay zaza, ary nitahy azy foana i Jehovah.+

  • Mpitsara 15:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Dia namely azy ireo izy, ary be dia be no matiny, ka nisavovona ny ranjo sy ny fen’ireo maty. Ary nidina izy ka nonina tany an-tsefatsefaky ny harambaton’i Etama.+

  • Mpitsara 15:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Ary nitsara ny Israely roapolo taona izy, tamin’ny andron’ny Filistinina.+

  • Mpitsara 16:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Dia hoy i Samsona: “Aoka hiara-maty amin’ny Filistinina aho.”*+ Dia nanezaka mafy niondrika izy, ka nirodana teo amin’ireo andriana mpiray dina sy ny olona rehetra tao anatiny, ilay trano.+ Ary ny maty izay novonoin’i Samsona tamin’ny andro nahafatesany dia be lavitra noho izay novonoiny nandritra ny fahavelomany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara