FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 dia homeko ranonorana amin’ny fotoanany tokoa ianareo,+ ka hataoko mahavokatra ny tany,+ ary hamoa ny hazo eny an-tsaha.+

  • Deoteronomia 28:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Hosokafan’i Jehovah ho anao ny fitehirizam-bokatra tsara, dia ny lanitra, mba handatsahany orana amin’ny fotoanany eo amin’ny taninao+ sy mba hitahiany izay rehetra ataon’ny tananao.+ Dia hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy mba hisambotra.+

  • Salamo 65:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Vonton-drano ny vava asany, ary voavakivaky ny baingany.+

      Mandrotsaka oram-be ianao mba hampahalemy ny tany, ary tahinao izay mitsimoka eo aminy.+

  • Isaia 30:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Hanome ranonorana ho an’ny voa afafinao amin’ny tany Izy,+ ary sakafo matavy sy mahavoky no ho vokatry ny tany.+ Hiraoka ahitra eny amin’ny kijana malalaka tsara ny biby fiompinao,+ amin’izany andro izany.

  • Jeremia 14:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Misy mahavita mandatsaka orana ve ireo sampy tsy misy ilana azy+ tompoin’ireo firenena? Mahay mandrotsaka oram-be ve raha ny lanitra fotsiny?+ Tsy Ianao ve no mahavita izany, ry Jehovah Andriamanitray ô?+ Koa ianao no antenainay, satria ianao no nanao izany rehetra izany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara