FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 14:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Vidio amin’ilay vola izay rehetra irinao+ na omby na ondry na osy na divay na toaka,+ ary izay zavatra tianao. Hihinana izany eo anatrehan’i Jehovah ianao any, ary hifaly+ ianao sy ny ankohonanao.

  • 1 Mpanjaka 8:66
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 66 Ary tamin’ny andro fahavalo, dia nalefany ny vahoaka.+ Dia nitso-drano ny mpanjaka ny vahoaka, ary samy nandeha nody. Koa faly+ sy ravoravo erỳ ny fon’izy ireo,+ noho ny soa+ rehetra nataon’i Jehovah tamin’i Davida mpanompony sy ny Israely olony.

  • Nehemia 8:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Hoy koa izy tamin’ireo: “Mandehana ka hano ny matavy ary sotroy ny mamy, dia anatero anjara+ izay tsy manana sakafo hokarakaraina. Fa masina amin’ny Tompontsika ity andro anio ity, koa aza malahelo fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.”

  • Filipianina 4:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Mifalia hatrany ao amin’ny Tompo,+ eny, hoy indray aho: Mifalia!+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara