FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary hanameloka anareo tokoa aho, ka ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo ianareo.+ Ary izay mankahala anareo no hampijaly anareo.+ Dia handositra ianareo, na dia tsy misy manenjika aza.+

  • Deoteronomia 28:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Hataon’i Jehovah resy eo anoloan’ny fahavalonao ianao.+ Lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao eo anoloany. Ary ho raiki-tahotra ny fanjakana rehetra eran-tany rehefa mahita izay nanjo anao.+

  • Deoteronomia 32:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Ataon’ny olon-tokana ahoana no fanenjika arivo,

      Ary ataon’ny roa lahy ahoana no fampandositra iray alina?+

      Raha tsy hoe ny Vatolampiny ihany angaha no efa nivarotra azy+ tamin’ireny,

      Ary i Jehovah no efa nanolotra azy teo an-tanan’ireny.

  • Isaia 30:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Koa olona iray monja no mandrahona, dia ho tora-kovitra ny arivo.+ Olona dimy monja no mandrahona, dia handositra ianareo, ka izay sisa miangana aminareo dia ho toy ny andry tokana eny an-tampon-tendrombohitra, sy ho toy ny tsato-kazo famantarana eny an-kavoana.+

  • Isaia 59:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Tsia, fa ny fahadisoanareo ihany no mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo,+ ary ny fahotanareo ihany no mahatonga azy hanafina ny tavany mba tsy hihainoany anareo.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara