Mpitsara 4:10 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 10 Ary nantsoin’i Baraka ho any Kedesy ny taranak’i Zebolona+ sy Naftaly, ka lehilahy iray alina no niakatra nanara-dia azy,+ ary niara-niakatra taminy koa i Debora. Mpitsara 6:35 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 35 Nandefa iraka+ tany amin’ny fokon’i Manase manontolo izy, ka novorina koa ireo mba hanaraka azy. Ary nandefa iraka tany amin’ny fokon’i Asera sy Zebolona ary Naftaly koa izy, ka niakatra ireo mba hitsena azy. 1 Tantara 12:33 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 33 Avy amin’ny fokon’i Zebolona+ dia nisy dimy alina ny lehilahy nivoaka hiantafika, ka nilahatra toy ny tafika sady nitondra ny fiadiany rehetra. Ary tsy voazarazara mihitsy ny fon’izy ireo rehefa nivory teo amin’i Davida izy ireo. Salamo 68:27 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 27 Teo koa i Benjamina kely izay nandresy an’ireny,+Ny andrianan’i Joda mbamin’ny vahoakany mihorakoraka,Ary ny andrianan’i Zebolona, sy ny andrianan’i Naftaly.+
10 Ary nantsoin’i Baraka ho any Kedesy ny taranak’i Zebolona+ sy Naftaly, ka lehilahy iray alina no niakatra nanara-dia azy,+ ary niara-niakatra taminy koa i Debora.
35 Nandefa iraka+ tany amin’ny fokon’i Manase manontolo izy, ka novorina koa ireo mba hanaraka azy. Ary nandefa iraka tany amin’ny fokon’i Asera sy Zebolona ary Naftaly koa izy, ka niakatra ireo mba hitsena azy.
33 Avy amin’ny fokon’i Zebolona+ dia nisy dimy alina ny lehilahy nivoaka hiantafika, ka nilahatra toy ny tafika sady nitondra ny fiadiany rehetra. Ary tsy voazarazara mihitsy ny fon’izy ireo rehefa nivory teo amin’i Davida izy ireo.
27 Teo koa i Benjamina kely izay nandresy an’ireny,+Ny andrianan’i Joda mbamin’ny vahoakany mihorakoraka,Ary ny andrianan’i Zebolona, sy ny andrianan’i Naftaly.+