FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 14:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Nitomany teo aminy foana anefa ravehivavy, nandritra ireo fito andro nanaovana ilay fanasambe. Farany, dia nolazain’i Samsona taminy ihany ilay izy tamin’ny andro fahafito, satria tsy namelany mihitsy izy raha tsy nilaza.+ Dia nambaran-dravehivavy tamin’ny zanaky ny fireneny ny valiny.+

  • Mpitsara 16:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Farany, dia nampahafantariny an’i Delila izay rehetra tao am-pony,+ ka hoy izy: “Mbola tsy nokasihin-kareza+ mihitsy ny lohako, satria Nazirita ho an’Andriamanitra aho hatrany an-kibon-dreniko.+ Koa raha haratana aho, dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tahaka ny olon-drehetra.”+

  • Ohabolana 25:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Aoka ianao hifanazava aminy,+ nefa aza ambara ny tsiambaratelon’ny hafa,+

  • Jeremia 9:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 “Aoka samy hitandrin-tena amin’ny namany avy ianareo,+ ary aza atokisana ny rahalahinareo na dia iray aza.+ Te hisongona ny hafa mantsy ny rahalahy+ rehetra, ary ny namana rehetra mandehandeha manendrikendrika.+

  • Mika 7:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Aza mino izay lazain’ny namana, na matoky namana akaiky.+ Eritrereto tsara izay holazain’ny vavanao amin’ilay miondana eo an-tratranao.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara