FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 11:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Koa nankany Gilgala ny olona rehetra. Ary tao i Saoly no nataony mpanjaka teo anatrehan’i Jehovah. Dia nanolotra sorona iombonana teo anatrehan’i Jehovah izy ireo tao,+ ka nifaly aoka izany+ i Saoly sy ny Israelita rehetra.

  • 1 Samoela 13:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Dia hoy i Samoela taminy: “Hadalana mihitsy izao nataonao izao.+ Tsy notandremanao ny didin’i+ Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao.+ Fa raha notandremanao izany, dia ho nataon’i Jehovah mafy orina teo amin’ny Israely ny fanjakanao nandritra ny fotoana tsy voafetra.

  • 1 Samoela 15:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Hoy anefa i Samoela taminy: “Tsy hiverina hiaraka aminao aho, fa efa nanda ny tenin’i Jehovah ianao, ka lavin’i Jehovah tsy ho mpanjakan’ny Israely intsony.”+

  • 1 Samoela 16:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Ary rehefa nahazo an’i Saoly ilay fikorontanan-tsaina avy amin’Andriamanitra, dia nandray ny harpa i Davida ka nitendry izany. Koa nahatsiaro ho maivamaivana i Saoly sady nihatsara, ary tsy nikorontan-tsaina+ intsony.

  • 1 Samoela 28:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Farany, dia hoy i Saoly tamin’ny mpanompony: “Itadiavo vehivavy mahay mamoha angatra aho.+ Dia hankany aminy aho hanontany azy.” Ary hoy ny mpanompony: “Misy vehivavy mahay mamoha angatra ao En-dora.”+

  • 1 Samoela 31:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Koa hoy i Saoly tamin’ny mpitondra ny fiadiany: “Tsoahy ny sabatrao+ dia trobahy amin’iny aho, sao ho avy ireo tsy mifora+ ireo ka hanatrobaka ahy sy hampijalijaly ahy.” Tsy nety+ anefa ilay mpitondra fiadiana, satria natahotra be. Koa nalain’i Saoly ny sabatra, dia nianjerany.+

  • 2 Samoela 1:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Nahatehotia sy nahafinaritra i Saoly sy Jonatana+ fony fahavelony,

      Ary tsy nisaraka na teo amin’ny fahafatesany aza.+

      Haingam-pandeha noho ny voromahery izy ireo,+

      Ary mahery noho ny liona.+

  • Asan’ny Apostoly 13:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Nitaky ny hanana mpanjaka+ anefa izy ireo taorian’izay. Koa nomen’Andriamanitra azy nandritra ny efapolo taona i Saoly zanak’i Kisy, lehilahy avy tamin’ny fokon’i Benjamina.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara