FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 22:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 “Vonoy ho faty ny vehivavy mpilalao ody.+

  • Levitikosy 19:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 “‘Aza mila hevitra amin’ny mpamoha angatra+ na amin’ny mpilaza ny hoavy,+ sao hanjary ho voaloton’ireny ianareo. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

  • Levitikosy 20:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 “‘Raha misy olona* mila hevitra amin’ny mpamoha angatra+ na amin’ny mpilaza ny hoavy,+ ka manana fifandraisana mamoafady amin’ireny, dia hanameloka an’izany olona* izany aho ary haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy.+

  • 1 Samoela 15:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Fa ny mikomy+ dia mitovy amin’ny manao sikidy,+ izay fahotana, ary ny minia miana-kendry dia mitovy amin’ny mampiasa herin’ny maizina sy terafima.*+ Nanda ny tenin’i Jehovah+ ianao, ka laviny tsy ho mpanjaka.”+

  • 1 Samoela 28:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Efa maty i Samoela tamin’izay, ary efa nitomany azy ny Israely rehetra ka nandevina azy tao an-tanànany tao Rama.+ Ary efa nesorin’i Saoly tsy ho eo amin’ilay tany ny mpamoha angatra sy ny mpilaza ny hoavy.+

  • Isaia 8:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Mety hisy hiteny aminareo hoe: “Manontania mpamoha angatra+ na olona itoeran’ny fanahy mpilaza ny hoavy, izay samy manao feom-boronkely+ sy mibitsibitsika.” Tsy ny Andriamaniny anefa ve no tokony hanontaniany?+ Ny maty indray ve no hanontaniana mba hahasoa ny velona?+

  • Hebreo 3:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Koa tandremo, ry rahalahy, sao misy aminareo koa hanjary hanana fo ratsy sady tsy mino, ka hiala amin’ilay Andriamanitra velona.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara