7 Taorian’izay, dia niteny tamin’i Farao ny mpanompony hoe: “Mandra-pahoviana iny lehilahy iny no ho fandrika ho antsika?+ Alefaso ireo lehilahy hanompo an’i Jehovah Andriamaniny. Mbola tsy fantatrao angaha fa efa potika+ i Ejipta?”
17 Farany, dia hoy i Saoly tamin’i Davida: “Io i Meraba+ zanako vavimatoa. Izy no homeko ho vadinao,+ fa aoka fotsiny ianao hahery fo eo anatrehako ka hiady ny adin’i Jehovah.”+ Fa hoy i Saoly anakampo: “Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa ny tanan’ny Filistinina.”+
8 Zana-tsipìka mahafaty ny lelan’izy ireo.+ Fitaka no lazainy. Fihavanana foana no resahiny amin’ny namany, nefa ao anatiny ao izy efa toy ny olona mifitsaka hanafika azy.”+