FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 15:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Tamin’io andro io no nanaovan’i Jehovah fifanekena tamin’i Abrama,+ nanao hoe: “Ny taranakao no homeko ity tany ity,+ hatrany amin’ny reniranon’i Ejipta ka hatrany amin’ny reniranon’i Eofrata,+ ilay renirano lehibe.

  • Eksodosy 23:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 “Ary hofaritako ny sisin-taninao, manomboka eo amin’ny Ranomasina Mena ka hatramin’ny ranomasin’ny Filistinina, ary manomboka eo amin’ny tany efitra ka hatramin’ny Renirano.+ Hatolotro eo an-tananareo mantsy ny mponina ao amin’ilay tany, ary horoahinareo tsy ho eo anatrehanareo izy ireo.+

  • Deoteronomia 11:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Ho lasanareo ny toerana rehetra hodiavin’ny tongotrareo.+ Ary ny sisin-taninareo dia hanomboka any an-tany efitra ka hatrany Libanona, ary hanomboka any amin’ny Renirano, izany hoe ny reniranon’i Eofrata, ka hatrany amin’ny ranomasina andrefana.+

  • 1 Mpanjaka 4:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Ary i Solomona no nitondra ny fanjakana rehetra nanomboka tany amin’ny Renirano+ ka hatrany amin’ny tanin’ny Filistinina sy ny sisin-tanin’i Ejipta. Nitondra fanomezana ireny sady nanompo an’i Solomona nandritra ny androm-piainany.+

  • Salamo 72:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 Hisy olom-peheziny hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina,+

      Ary hatrany amin’ny Renirano+ ka hatrany amin’ny faran’ny tany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara