FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 17:50
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 50 Koa nahery noho ilay Filistinina i Davida nefa pilotra sy vato fotsiny no teny aminy, ka namely nahafaty azy izy. Ary tsy nisy sabatra teny an-tanan’i Davida.+

  • 1 Samoela 18:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary nanao hira nifamaly ireo vehivavy nitotorebika ireo hoe:

      “I Saoly nahafaty arivoarivo,

      Fa i Davida kosa nahafaty alinalina.”+

  • 1 Samoela 19:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Fa nanao vivery ny ainy*+ izy namono an’ilay Filistinina,+ ka dia nanao famonjena lehibe+ ho an’ny Israely rehetra i Jehovah. Ary faly ianao nahita izany. Koa nahoana ianao no hanota ka handatsaka ran’olona tsy manan-tsiny, amin’ny famonoana an’i Davida+ tsy amin’antony?”+

  • 2 Samoela 5:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Koa izany no nataon’i Davida, araka izay nandidian’i Jehovah azy.+ Dia nasiany+ ny Filistinina hatrany Geba+ ka hatrany Gazera.+

  • 2 Samoela 8:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Rehefa tonga hanampy an’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba ny Syrianina avy any Damaskosy,+ dia nahafatesan’i Davida roa arivo sy roa alina izy ireo.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara