FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 11:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Ary hoy izy tamin’i Jeroboama:

      “Makà folo ho anao, fa izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Hesoriko tsy ho eo an-tanan’i Solomona ny fanjakana, ka homeko foko folo ianao.+

  • 1 Mpanjaka 12:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Raha vao ren’i Jeroboama+ zanak’i Nebata izany, raha mbola tany Ejipta+ izy—fa nandositra tany izy noho ny amin’i Solomona Mpanjaka ka nonina tany—

  • 1 Mpanjaka 12:32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Ary nataon’i Jeroboama andro fety ny fahadimy ambin’ny folon’ny volana fahavalo, sahala amin’ny fety tany Joda,+ mba hanolorany fanatitra teo amin’ilay alitara nataony tao Betela, ka hanaovany sorona ho an’ireo zanak’omby nataony. Ary notendreny hanompo tao Betela+ ny mpisoron’ireo toerana avo namboariny.

  • 1 Mpanjaka 14:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Noho izany, dia hahatonga loza amin’ny ankohonan’i Jeroboama aho, ka haringako daholo ny lahy rehetra+ anisan’ny ankohonany, dia ireo tsy misy mpiaro sy tsy misy ilana azy eo amin’ny Israely.+ Ary hofafako tsy hisy intsony ny ankohonan’i Jeroboama+ toy ny famafa diky,* mandra-panaisotra azy tanteraka.+

  • 2 Tantara 11:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Fa nandao ny kijanany+ sy ny fananany+ ny Levita, ka nankany Joda sy Jerosalema+ satria nesorin’i+ Jeroboama+ sy ny zanany tsy ho mpisoron’i Jehovah izy ireo.

  • 2 Tantara 13:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Koa nitondra tafika nisy lehilahy mpiady+ voafantina efatra hetsy i Abia rehefa nandeha niady. I Jeroboama kosa nandahatra lehilahy voafantina matanjaka sy mahery fo+ niisa valo hetsy mba hiady tamin’i Abia.

  • 2 Tantara 13:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Tsy nanan-kery intsony+ i Jeroboama tamin’ny andron’i Abia. Ary namely azy i Jehovah+ ka maty izy.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara