-
1 Samoela 7:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Koa hoy i Samoela tamin’ny taranak’Israely manontolo: “Raha amin’ny fonareo manontolo no iverenanareo amin’i Jehovah,+ dia esory tsy ho eo aminareo ny andriamani-kafa+ sy ireo sarin’i Astarta.+ Atodiho amin’i Jehovah ny fonareo ka aza avela hiovaova, ary manompoa azy irery ihany,+ dia hanafaka anareo eo an-tanan’ny Filistinina izy.”+
-
-
2 Tantara 15:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Raha vao ren’i Asa izany teny izany sy ny faminanian’i Odeda+ mpaminany, dia nisikina herim-po izy ka nanafoana ny zava-maharikoriko+ nanerana ny tanin’i Joda sy Benjamina, sy tany amin’ireo tanàna nobaboiny tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima.+ Nohavaoziny koa ilay alitaran’i Jehovah teo anoloan’ny tilikambo fidirana ao amin’ny tranon’i Jehovah.+
-