-
Estera 1:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Koa nandefasany taratasy+ ny faritany+ rehetra eran’ilay fanjakana, ka nosoratana araka ny fomba fanoratry ny faritany tsirairay sy araka ny fitenin’ny firenena tsirairay izany. Voalaza tao fa ny lehilahy rehetra no masi-mandidy ao an-tokantranony+ ary ny fitenin-drazany no tsy maintsy ampiasaina ao.
-
-
Estera 3:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia nantsoina ireo mpitan-tsoratry+ ny mpanjaka tamin’ny andro fahatelo ambin’ny folon’ny volana voalohany. Ary izay rehetra nandidian’i Hamana no nosoratana+ ho an’ireo lehibem-paritany+ notendren’ny mpanjaka sy ny governoran’ny faritany samy hafa ary ny mpifehy isam-pirenena. Nosoratana araka ny fomba fanoratry+ ny faritany tsirairay sy ny fitenin’ny firenena tsirairay izany, ka natao tamin’ny anaran’i+ Ahasoerosy Mpanjaka, sady notombohina tamin’ny peratra fanombohan-kaseny.+
-