-
Estera 3:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia nantsoina ireo mpitan-tsoratry+ ny mpanjaka tamin’ny andro fahatelo ambin’ny folon’ny volana voalohany. Ary izay rehetra nandidian’i Hamana no nosoratana+ ho an’ireo lehibem-paritany+ notendren’ny mpanjaka sy ny governoran’ny faritany samy hafa ary ny mpifehy isam-pirenena. Nosoratana araka ny fomba fanoratry+ ny faritany tsirairay sy ny fitenin’ny firenena tsirairay izany, ka natao tamin’ny anaran’i+ Ahasoerosy Mpanjaka, sady notombohina tamin’ny peratra fanombohan-kaseny.+
-
-
Estera 8:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 ka niteny hoe: “Raha sitraky ny mpanjaka ka mahazo sitraka+ amin’ny mpanjaka aho, ary raha hitan’ny mpanjaka fa mety izao ka mahazo sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy taratasy+ hosoratana mba hanafoanana an’izay nosoratan’i Hamana zanak’i Hamedota Agagita,+ momba ny teti-dratsiny handringanana ny Jiosy+ any amin’ny faritany rehetra eran’ny fanjakana.+
-