FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 24:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Nataony sesitany tany Babylona+ àry i Joiakina.+ Ary nentiny avy any Jerosalema koa ny renin’ny mpanjaka+ sy ireo vadin’ny mpanjaka ary ny tandapany,+ mbamin’ny olona ambony teo amin’ilay tany, mba hatao sesitany tany Babylona.

  • 1 Tantara 3:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary i Joiakima niteraka an’i Jekonia,+ ary i Jekonia niteraka an’i Zedekia.

  • 2 Tantara 36:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary tamin’ny fiandohan’ny taona,+ dia naniraka ny mpanompony+ i Nebokadnezara Mpanjaka, ka nentina ho any aminy tany Babylona+ i Joiakina mbamin’ny zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah.+ Ary nataony mpanjakan’ny Joda sy Jerosalema i Zedekia+ rahalahin-drain’i Joiakina.+

  • Jeremia 22:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Vilany tanimanga natao tsinontsinona sy nopotipotehina+ ve ity lehilahy antsoina hoe Konia+ ity, sa tavoara tsy misy mpitia?+ Nahoana izy sy ny taranany no natsipy sy nariana any an-tany tsy fantany?’+

  • Jeremia 37:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Nanjaka nandimby an’i Konia+ zanak’i Joiakima+ i Zedekia+ Mpanjaka zanak’i Josia,+ izay notendren’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona ho mpanjaka tao Joda.+

  • Jeremia 52:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Tamin’ny taona fahafito amby telopolo nanaovana sesitany an’i Joiakina+ mpanjakan’ny Joda, tamin’ny andro fahadimy amby roapolon’ny volana faharoa ambin’ny folo, tamin’ny taona naha lasa mpanjaka an’i Evila-merodaka mpanjakan’i Babylona, dia nahazo sitraka taminy*+ i Joiakina mpanjakan’ny Joda. Koa navoakany avy tao am-ponja i Joiakina.

  • Matio 1:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Josia+ niteraka an’i Jekonia+ sy ireo rahalahiny tamin’ny fotoana nandefasana ny Jiosy tany an-tsesitany tany Babylona;+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara