Joba 27:5 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 5 Sanatria ahy ny hilaza hoe marina ianareo!+Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, mandra-pahatapitry ny aiko.+ Salamo 26:11 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 11 Fa izaho kosa tsy mba hivadika.+Avoty aho,+ ka aoka ianao ho tsara fanahy amiko.+ Salamo 41:12 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 12 Manohana ahy ianao satria tsy mivadika aminao aho,+Ary hataonao eo anatrehanao mandritra ny fotoana tsy voafetra aho.+ Salamo 78:72 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 72 Koa niandry an’ireo araka ny fahitsian’ny fony izy,+Ary nitarika an’ireo tamim-pahakingana.+ Ohabolana 19:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 19 Aleo mahantra nefa tsy mivadika,+ toy izay mpandaingalainga, na tsisy saina.+
5 Sanatria ahy ny hilaza hoe marina ianareo!+Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, mandra-pahatapitry ny aiko.+
12 Manohana ahy ianao satria tsy mivadika aminao aho,+Ary hataonao eo anatrehanao mandritra ny fotoana tsy voafetra aho.+