FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 16:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Hoy anefa i Jehovah tamin’i Samoela: “Aza mijery ny bika aman’endriny sy ny haavon’ny tsanganany,+ fa efa nolaviko izy. Fa tsy toy ny fijerin’ny olona ny fijerin’Andriamanitra,+ satria ny olona mijery izay hitan’ny maso,+ fa i Jehovah kosa mijery ny fo.”+

  • Joba 34:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Fa araka izay ataon’ny olombelona no hamaliany+ azy,

      Ary araka izay alehany ihany no hampanodiaviny azy.

  • Ohabolana 24:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Raha hoy ianao: “Tsy nahafantatra an’izany izahay”,+ tsy hahafantatra an’izany koa ve ilay mandinika ny fo?+ Mahalala an’izany tokoa ilay mandinika tsara anao,+ ary hovaliany araka ny nataony avy ny olona.+

  • Jeremia 32:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Manana fikasana+ lehibe ianao, ary maro ny asa vitanao.+ Mibanjina an’izay rehetra ataon’ny zanak’olombelona ny masonao,+ mba hamalianao ny tsirairay araka izay ataony sy araka ny vokatry ny asany.+

  • Ezekiela 7:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Hisaona ny mpanjaka,+ ary hitafy famoizam-po ny mpiadidy.+ Ho sahiran-tsaina ny vahoaka* ka hangovitra ny tanany. Hovaliako araka ny nataony izy ireo,+ ary hotsaraiko araka izay nitsarany ny hafa.+ Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.’”+

  • Romanina 2:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary hamaly ny tsirairay araka izay nataony avy izy:+

  • 2 Korintianina 5:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Fa tsy maintsy haseho miharihary eo anatrehan’ny fitsaran’i Kristy ny maha isika antsika rehetra,+ mba hahazoan’ny tsirairay avy ny valin’izay nataony, na tsara na ratsy, tamin’izy mbola olombelona.+

  • Galatianina 6:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Aza manaiky ho voafitaka ianareo:+ Andriamanitra tsy azo vazivazina,+ fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.+

  • Kolosianina 3:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Izay manao ratsy dia azo antoka fa hahazo ny valin’ny+ tsy mety nataony, satria tsy mizaha tavan’olona+ Andriamanitra.

  • 2 Timoty 4:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Betsaka ny ratsy nataon’i Aleksandra+ mpanefy varahina tamiko—i Jehovah no hamaly azy araka izay nataony+—

  • 1 Petera 1:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Mpitsara tsy miangatra+ ny Ray ary mitsara ny tsirairay araka ny asany avy. Koa raha izy no antsoinareo, dia aoka ianareo hitondra tena amin-tahotra+ mandritra ny andro fivahinianareo.+

  • Apokalypsy 20:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ary hitako ny maty, na ny lehibe na ny kely,+ nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana, dia nisy horonam-boky* novelarina. Fa nisy horonam-boky iray koa novelarina, dia ny horonam-bokin’ny fiainana.+ Ary ny maty dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky, araka izay nataon’izy ireo.+

  • Apokalypsy 22:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “‘Ho avy haingana aho,+ ary efa etỳ amiko izay tokony havaly+ ny tsirairay araka izay ataony.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara