FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 32:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Tonga lafatra izay ataon’ilay Vatolampy,+

      Fa ara-drariny daholo ny lalany.+

      Andriamanitra mendri-pitokisana+ izy, ary tsy mba manao ny tsy rariny.+

      Marina sy mahitsy izy.+

  • Salamo 5:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Fa tsy mba Andriamanitra finaritra amin’ny faharatsiana ianao.+

      Tsy misy olon-dratsy hiara-mitoetra aminao, na rahoviana na rahoviana.+

  • Salamo 71:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Avo dia avo ny fahamarinanao, Andriamanitra ô!+

      Lehibe ny zava-bitanao,+

      Ka iza no tahaka anao, Andriamanitra ô?+

  • Salamo 97:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Rahona sy haizim-pito no manodidina azy,+

      Ny rariny sy ny hitsiny no fototra iorenan’ny seza fiandrianany.+

  • Salamo 145:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Manao ny rariny i Jehovah amin’ny lalany rehetra.+

      Tsy mivadika koa izy, amin’izay rehetra ataony.+

  • Ohabolana 16:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Zava-maharikoriko amin’ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy,+ satria fahamarinana no iorenan’ny seza fiandrianany.+

  • Apokalypsy 15:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Dia nihira ny hiran’i Mosesy+ mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanak’ondry izy ireo,+ nanao hoe:

      “Lehibe sady mahagaga ny asanao,+ Jehovah Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra.+ Mahitsy sy marina ny lalanao,+ ry Mpanjakan’ny mandrakizay.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara