FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 41:40
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 40 Ianao no hiandraikitra ny ankohonako,+ ary hankatò anao tanteraka ny vahoakako manontolo.+ Ny seza fiandrianana ihany no maha ambony ahy noho ianao.”+

  • 1 Samoela 2:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 Izy no manangana ny olona ambany hiala amin’ny vovoka,+

      Ary avy ao amin’ny lavaka misy lavenona no ampiakarany ny mahantra,+

      Mba hametrahany azy miaraka amin’ny olona ambony. Ary seza fiandrianana be voninahitra+ no omeny azy ireo ho fananany.+

      Fa an’i Jehovah ny fototry ny tany,+

      Ary apetrany eo ambonin’izany ny tany lonaka.

  • Joba 36:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Tsy hampiala ny masony amin’ny olo-marina izy.+

      Ary ny mpanjaka eo amin’ny seza fiandrianana+

      Dia hapetrany eo mandrakizay, ka hisandratra.

  • Daniela 2:48
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 48 Koa nomen’ny mpanjaka toerana ambony+ i Daniela, sady notolorany fanomezana lehibe maro, ary notendreny ho filohan’ny faritanin’i Babylona+ sy ho mpiadidy hifehy ny olon-kendry rehetran’i Babylona.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara