Salamo 80:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 80 Mihainoa, ry Mpiandry ny Israely ô,+Dia ianao izay mitarika an’i Josefa toy ny fitarika andian’ondry.+Mamirapirata,+ ry ilay mipetraka eo amin’ny kerobima+ ô! Jeremia 23:3 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 3 “Hangoniko avy any amin’ny tany rehetra nanaparitahako azy ny ondriko sisa,+ ka haveriko eo amin’ny kijana nisy azy.+ Dia hanan-taranaka sy hihabetsaka+ izy ireo. Ezekiela 34:12 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 12 Hokarakaraiko tokoa ny ondriko,+ toy ny fikarakaran’ny mpiandry ondry ny andian’ondriny amin’ny andro hahatongavany eo amin’ny ondriny izay efa niparitaka.+ Ary hovonjeko avy any amin’ny toerana rehetra niparitahany tamin’ny andro nandrahona sy maizim-pito,+ izy ireo. 1 Petera 2:25 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 25 Tahaka ny ondry nania+ mantsy ianareo taloha, nefa ankehitriny niverina tamin’ilay mpiandry+ sy mpiandraikitra anareo.*
80 Mihainoa, ry Mpiandry ny Israely ô,+Dia ianao izay mitarika an’i Josefa toy ny fitarika andian’ondry.+Mamirapirata,+ ry ilay mipetraka eo amin’ny kerobima+ ô!
3 “Hangoniko avy any amin’ny tany rehetra nanaparitahako azy ny ondriko sisa,+ ka haveriko eo amin’ny kijana nisy azy.+ Dia hanan-taranaka sy hihabetsaka+ izy ireo.
12 Hokarakaraiko tokoa ny ondriko,+ toy ny fikarakaran’ny mpiandry ondry ny andian’ondriny amin’ny andro hahatongavany eo amin’ny ondriny izay efa niparitaka.+ Ary hovonjeko avy any amin’ny toerana rehetra niparitahany tamin’ny andro nandrahona sy maizim-pito,+ izy ireo.
25 Tahaka ny ondry nania+ mantsy ianareo taloha, nefa ankehitriny niverina tamin’ilay mpiandry+ sy mpiandraikitra anareo.*