FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 20:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 “Aza mijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga ny mpiara-belona aminao.+

  • Salamo 52:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Ny hanisy ratsy no kendren’ny lelanao, izay maranitra toy ny hareza,+

      Sady mamitaka.+

  • Salamo 57:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Eo anivon’ny liona aho,+

      Ary voatery mandry eo anivon’ny mpandrapaka olona, eny, eo anivon’ny zanak’olombelona,

      Izay manana nify toy ny lefona sy toy ny zana-tsipìka,+

      Ary toy ny sabatra maranitra ny lelany.+

  • Salamo 120:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Inona no homena anao ary inona koa no hampiharina aminao,

      Ry lela mamitaka?+

  • Salamo 140:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Ataon’izy ireo maranitra toy ny an’ny menarana ny lelany.+

      Ao ambany molony ny poizin’ny bibilava+ misy tandroka. Sela.

  • Jeremia 9:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ny lelany no ataony toy ny tsipìka andefasany lainga.+ Malaza ho mpivadika izy ireo ao amin’ilay tany.

      “Miharatsy foana izy ireo, ary tsy raharahainy aho”,+ hoy i Jehovah.

  • Jakoba 3:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Afo ny lela.+ Eo amin’ny vatantsika, dia ny lela no feno ny tsy fahamarinana rehetra, satria manisy pentimpentina ny vatana manontolo+ sy mandrehitra ny fizotran’ny fiainana manontolo sady arehitry ny Gehena.*

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara