Nehemia 2:2 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 2 Koa niteny tamiko ny mpanjaka hoe: “Nahoana no maloka endrika+ ianao nefa tsy marary akory? Misy zavatra mampalahelo ny fonao mihitsy!”+ Natahotra be aho tamin’izay. Salamo 38:6 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 6 Sahiran-tsaina aho ka mitanondrika tanteraka.+Ary mandehandeha amin’alahelo foana aho.+ Ohabolana 15:13 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 13 Mahamiramirana endrika ny fo falifaly,+ fa mahakivy kosa ny fahoriam-po.+ Matio 6:25 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 25 “Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy intsony+ ny amin’ny ainareo,* dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny vatanareo, dia izay hotafinareo.+ Tsy mihoatra noho ny sakafo ve ny aina, ary ny vatana noho ny fitafiana?+
2 Koa niteny tamiko ny mpanjaka hoe: “Nahoana no maloka endrika+ ianao nefa tsy marary akory? Misy zavatra mampalahelo ny fonao mihitsy!”+ Natahotra be aho tamin’izay.
25 “Noho izany no ilazako aminareo hoe: Aza manahy intsony+ ny amin’ny ainareo,* dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny vatanareo, dia izay hotafinareo.+ Tsy mihoatra noho ny sakafo ve ny aina, ary ny vatana noho ny fitafiana?+