-
Estera 8:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Ary niala teo anatrehan’ny mpanjaka i Mordekay, nanao akanjom-boninahitra+ vita tamin’ny lamba manga sy lamba rongony. Nanao satroboninahitra volamena lehibe koa izy, sady nanao fitafiana ivelany tena tsara+ vita tamin’ny volonondry nolokoana volomparasy somary mena.+ Dia nihorakoraka sy faly be ny tao an-tanànan’i Sosana,+
-
-
Tononkiran’i Solomona 3:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Volafotsy ny andry aminy, ary volamena ny fiankinana. Natao tamin’ny volonondry nolokoana volomparasy somary mena ny fipetrahana ao aminy ary ny ao anatiny kosa noravahan’ny zanakavavin’i Jerosalema tamim-pitiavana.”
-