2 “Matory aho, nefa mahatsiaro ihany ny foko.+ Injay fa reko mandondòna ny malalako!”+
“Vohay aho,+ rahavako, ry tovovavy malalako, ry voromailalako, ry ilay tsy misy tsiniko,+ fa feno ando ny lohako, ary kotsan’ny andon’ny alina+ ny voloko.”
28 “‘Ilaozy ny tanànanareo, ka mitoera ao amin’ny harambato,+ ry mponin’i Moaba ô! Aoka ianareo ho toy ny voromailala manao ny akaniny eny akaikin’ny vava lavaka.’”+
16 “Maniraka anareo aho, ka ho toy ny ondry eo afovoan’ny amboadia+ ianareo. Koa aoka ianareo ho malina tahaka ny bibilava,+ nefa tsy hanan-tsiny tahaka ny voromailala.+