3 Hoy anefa i Zerobabela sy Jesoa+ ary ny sisa tamin’ireo lohan’ny+ fianakaviamben’ny Israely: “Tsy manan-jo hiaraka aminay hanorina trano ho an’Andriamanitray ianareo.+ Izahay ihany no hanorina ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, araka ny nandidian’i Kyrosy+ mpanjakan’i Persa.”
16 Hataoko eo am-bavanao ny teniko,+ ary harovako amin’ny aloky ny tanako ianao,+ mba hametrahako ny lanitra+ eo amin’ny toerany sy mba hametrahako ny fototry ny tany+ ary mba hilazako amin’i Ziona hoe: ‘Oloko ianao.’+
20 Fa navela ho tonga zava-poana ny zavaboary,+ nefa tsy noho ny sitrapony fa noho ny sitrapon’ilay namela izany hitranga. Eny, navela hitranga izany, miorina amin’izao fanantenana+ izao: