FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 13:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 “Raha mitady hitaona anao mangingina ny rahalahinao zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny vady malalanao, na ny namanao akaiky izay efa toy ny tenanao,+ ka manao hoe: ‘Andao hanompo andriamani-kafa’+ tsy fantatrao sady tsy fantatry ny razanao,

  • Deoteronomia 29:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Lasa nanompo andriamani-kafa izy ireo, sady niankohoka teo anatrehan’ireny, izay andriamanitra tsy fantany sady tsy navelan’Andriamanitra hotompoiny.+

  • Deoteronomia 32:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Nanao sorona ho an’ny demonia izy ireo, fa tsy ho an’Andriamanitra,+

      Eny, nanao sorona ho an’andriamanitra tsy fantatr’izy ireo,+

      Dia andriamanitra vaovao izay vao tonga,+

      Sady tsy fantatry ny razany.

  • Jeremia 19:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Nahafoy ahy+ mantsy ny vahoaka, ary nataony izay tsy hahafantarana intsony an’ity toerana ity.+ Nanolotra setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa izy ireo teto, dia andriamanitra tsy fantatr’izy ireo+ sy ny razany ary ny mpanjakan’ny Joda. Ary nataony feno ran’olona tsy manan-tsiny ity toerana ity.+

  • Jeremia 22:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Dia hamaly izy ireo hoe: “Satria nivadika tamin’ny fifanekena nifanaovany tamin’i Jehovah Andriamaniny izy ireo,+ ka niankohoka teo anatrehan’andriamani-kafa sy nanompo an’ireny.”’+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara