FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 5:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Koa tezitra be amin’ny olony i Jehovah, ka haninjitra ny tanany hamely azy.+ Hihorohoro ny tendrombohitra,+ ary ho toy ny fako eny afovoan-dalana ny fatin’izy ireo.+

      Noho izany faharatsiana rehetra izany, dia tsy mitony mihitsy ny fahatezerany, fa mbola maninjitra ny tanany ihany izy.

  • Ezekiela 38:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Dia tsy maintsy hipararetra noho ny amiko ny trondro any an-dranomasina, sy ny voro-manidina, sy ny bibidia, sy ny biby mandady rehetra amin’ny tany, ary ny olombelona rehetra eny ambonin’ny tany.+ Hiletsy ny tendrombohitra,+ hihotsaka ny lalana amoron-tevana, ary hidaboka amin’ny tany ny manda rehetra.’

  • Nahoma 1:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Mihovotrovotra ny tendrombohitra noho ny aminy, ary mitsonika ny havoana.+

      Noho ny fanatrehany, dia hihozongozona ny tany sy ny faritra lonaka ary izay rehetra monina eo aminy.+

  • Habakoka 3:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Nijanona izy mba hanozongozona ny tany.+ Nijery izy, dia nitsamboatra ireo firenena.+

      Potipotika ireo tendrombohitra mandrakizay,+ ary niondrika ireo havoana maharitra hatramin’ny fotoana tsy voafetra.+ Izany no fanaony efa hatramin’ny taloha.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara