46 Ary ilay efitra fisakafoana mitodika mianavaratra dia ho an’ny mpisorona miandraikitra ny alitara.+ Tsy iza ireo fa ny zanakalahin’i Zadoka,+ izay taranak’i Levy. Ireo no manatona an’i Jehovah mba hanompo azy.”+
15 “‘Hanatona mba hanompo ahy ireo Levita mpisorona+ taranak’i Zadoka,+ izay niandraikitra ny toerako masina fony naniasia nanalavitra ahy ny zanak’Israely.+ Dia hitsangana eo anatrehako+ izy ireo mba hanolotra tavin-kena+ sy ra’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.
11 Ho an’ny mpisorona izany, eny, ho an’ireo nohamasinina avy amin’ny taranak’i Zadoka,+ dia ireo niantsoroka ny andraikiny teo amin’ny fanompoana ahy, fa tsy mba naniasia tahaka an’ireo Levita, rehefa naniasia ny zanak’Israely.+