FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 15:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Ary raha manontany anao izy ireo hoe: ‘Handeha ho aiza anefa izahay?’, dia izao avaly azy: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Ho any amin’ny loza mahafaty daholo izay natao ho an’ny loza mahafaty! Ho any amin’ny sabatra kosa izay natao ho an’ny sabatra! Ho any amin’ny mosary, ireo natao ho an’ny mosary!+ Ary ho any amin’ny fahababoana, ireo natao ho amin’ny fahababoana!”’+

  • Jeremia 20:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary ho lasa babo+ ianao sy izay rehetra mipetraka ao an-tranonao, ry Pasora. Ho any Babylona ianao, ka any ianao no ho faty sy halevina miaraka amin’ireo rehetra tia anao,+ noho ianao naminany lainga+ tamin’izy ireo.’”

  • Jeremia 44:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Izao no nolazain’i Jehovah: “Hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’ireo mifofo ny ainy+ i Farao Hofra, mpanjakan’i Ejipta,+ sahala amin’ny nanolorako an’i Zedekia mpanjakan’ny Joda teo an-tanan’i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona, ilay fahavalo nifofo ny ainy.”’”+

  • Jeremia 52:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Ny sasany tamin’ireo olona ambany saranga sy ny vahoaka sisa tao an-tanàna,+ sy ireo nitsoaka mba hitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babylona, ary ny sisa tamin’ireo mpiasa tena mahay, dia nentin’i Nebozaradana lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, ka nataony sesitany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara