10 I Jehovah kosa anefa no tena Andriamanitra.+ Izy no Andriamanitra velona+ sy Mpanjaka mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Hihovotrovotra ny tany+ noho ny fahatezerany, ary tsy hisy firenena hahatanty ny fanamelohany.+
17 Ho an’ilay Mpanjakan’ny mandrakizay,+ izay tsy mety lo+ sady tsy hita maso,+ eny, ho an’ilay Andriamanitra tokana+ anie ny haja sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay!+ Amena.
11 “Mendrika handray ny voninahitra+ sy ny haja+ ary ny hery+ ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao,+ ary noho ny sitraponao+ no nampisy sy namoronana+ azy ireny.”