FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 32:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Fa hitsara ny vahoakany i Jehovah+

      Ary hanenina izy ka hamindra fo amin’ny mpanompony,+

      Satria ho hitany fa nanjavona ny herin’izy ireo

      Sady nanjary tsy misy mpiaro sy tsy misy ilana azy sisa izy ireo.

  • Salamo 106:45
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 45 Nahatsiaro ny fifanekena nataony tamin’ireo izy, mba hitsimbinana azy ireo,+

      Ary nanenina izy, satria lehibe tokoa ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.+

  • Hosea 11:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “Hataoko ahoana anefa no hahafoy anao, ry Efraima ô?+ Ary hataoko ahoana no hanolotra anao, ry Israely ô?+ Hataoko ahoana no hamely anao tahaka an’i Adma?+ Ary hataoko ahoana no hamely anao tahaka an’i Zeboima?+ Efa niova hevitra ny aminao aho,+ fa hontsa dia hontsa ny foko.

  • Jona 3:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary hitan’ilay tena Andriamanitra ny nataon’izy ireo,+ fa niala tamin’ny lalan-dratsiny izy ireo.+ Koa nanenenan’Andriamanitra+ ilay loza nolazainy hamelezany azy, ka tsy nampihariny indray.+

  • Jakoba 5:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Koa aoka àry ianareo hifampiaiky heloka+ imasoimaso, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo.+ Misy heriny lehibe sady tena misy vokany ny fitalahoan’ny olo-marina.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara