FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 15:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 “Tena manenina aho+ noho ny nanaovako an’i Saoly ho mpanjaka, satria tsy nanaraka+ ahy intsony izy, sady tsy nanatanteraka ny teniko.”+ Ary nampahory an’i Samoela izany,+ ka nitaraina mafy tamin’i Jehovah izy ny alina manontolo.+

  • Isaia 1:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Lozan’ilay firenena mpanota,+ ilay vahoaka mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy+ sy zanaka mandoza!+ Efa nahafoy an’i Jehovah izy ireo,+ sady naniratsira an’Ilay Masin’ny Israely,+ ary efa niala taminy.+

  • Isaia 9:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Koa tsy ho faly amin’ny tovolahin’izy ireo i Jehovah,+ sady tsy hamindra fo amin’ny kamboty ray sy ny mpitondratena. Fa mpivadi-pinoana+ daholo izy ireo sady mpanao ratsy, ary miboiboika hadalana ny vava rehetra. Noho izany faharatsiana rehetra izany, dia tsy mitony mihitsy ny fahatezerany, fa mbola maninjitra ny tanany+ ihany Izy.

  • Jeremia 2:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 ‘Zava-dratsy roa mantsy no nataon’ny oloko: Nahafoy ahy+ izay loharanon’ny rano velona+ izy, ary nihady lavaka fanangonan-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka misy triatra sy tsy mahatana rano.’

  • Hebreo 3:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Koa tandremo, ry rahalahy, sao misy aminareo koa hanjary hanana fo ratsy sady tsy mino, ka hiala amin’ilay Andriamanitra velona.+

  • Hebreo 10:38
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 38 “Fa ny oloko marina kosa ho velona noho ny finoany”,+ fa “raha mihemotra izy, dia tsy hankasitrahako.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara