-
Ezekiela 47:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
47 Dia nentin-dralehilahy niverina teo amin’ny fidirana amin’ilay Trano+ aho, ka io fa nisy rano+ nivoaka avy teo ambanin’ny tokonan’ilay Trano ary nikoriana niantsinanana.+ Nitodika niantsinanana mantsy ilay Trano. Nikoriana nidina avy tao ambany io rano io, ka nandalo teo ankavanan’ilay Trano, teo atsimon’ny alitara.
-
-
Joela 3:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 “Amin’izany andro izany, dia hisy divay mamy hitete eny an-tendrombohitra,+ sy ronono hikoriana eny amin’ny havoana, ary rano hikoriana eny amin’ny renirano rehetra any Joda. Dia hisy loharano hifantsitsitra avy ao an-tranon’i Jehovah.+ Ary izy io hanondraka ny lohasaha falehan-driakan’ny Hazo Akasia.+
-