6 Fa vahoaka masina ianareo amin’i Jehovah Andriamanitrareo.+ Ary ianareo no nofidin’i Jehovah Andriamanitrareo avy tamin’ny firenena rehetra etỳ ambonin’ny tany, mba ho vahoakany sy ho fananany manokana.+
15 Ny razanao ihany anefa no niraiketan’ny fon’i Jehovah ka notiaviny. Koa nofidiny teo amin’ny firenena rehetra ny taranany,+ izany hoe ianareo, toy ny amin’izao andro izao.
28 Marina fa raha ny amin’ny vaovao tsara, dia fahavalon’Andriamanitra izy ireo mba handraisanareo soa,+ fa raha ny amin’ny fifidianan’Andriamanitra kosa, dia malalany izy ireo noho ny amin’ny razany.+