Marka 2:12 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 12 Koa nitsangana ralehilahy ary tonga dia nibata ny fandrianany ka nandeha nivoaka teo imason’ny olona rehetra.+ Dia talanjona avokoa izy rehetra ka nanome voninahitra an’Andriamanitra, sady niteny hoe: “Mbola tsy nahita ny toy izao mihitsy isika.”+ Lioka 5:26 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 26 Ary zendana+ ny rehetra ka nanome voninahitra an’Andriamanitra. Raiki-tahotra koa izy ireo ka nanao hoe: “Zavatra hafahafa koa iny hitantsika androany iny!”+ Asan’ny Apostoly 4:21 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 21 Dia mbola nandrahona azy roa lahy indray ireo, ary nandefa azy avy eo, satria tsy hitany izay tokony hanasaziana azy, ary natahorany koa ny vahoaka+ satria nanome voninahitra an’Andriamanitra noho izay nitranga.
12 Koa nitsangana ralehilahy ary tonga dia nibata ny fandrianany ka nandeha nivoaka teo imason’ny olona rehetra.+ Dia talanjona avokoa izy rehetra ka nanome voninahitra an’Andriamanitra, sady niteny hoe: “Mbola tsy nahita ny toy izao mihitsy isika.”+
26 Ary zendana+ ny rehetra ka nanome voninahitra an’Andriamanitra. Raiki-tahotra koa izy ireo ka nanao hoe: “Zavatra hafahafa koa iny hitantsika androany iny!”+
21 Dia mbola nandrahona azy roa lahy indray ireo, ary nandefa azy avy eo, satria tsy hitany izay tokony hanasaziana azy, ary natahorany koa ny vahoaka+ satria nanome voninahitra an’Andriamanitra noho izay nitranga.