FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Lioka 11:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Dia lasa izy maka fanahy fito+ ratsy noho izy. Rehefa tafiditra ireo, dia mijanona ao. Koa ratsy noho ny tamin’ny voalohany ny hiafaran’izany olona izany.”+

  • Jaona 5:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Nahita azy tao amin’ny tempoly i Jesosy taorian’izany, ka nanao taminy hoe: “Efa sitrana ianao izao, ka aza manota intsony sao hisy zavatra ratsy noho ny teo hahazo anao.”

  • Hebreo 6:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Fa izay olona efa nohazavaina indray mandeha monja,+ sy efa nanandrana ny fanomezana maimaim-poana+ avy any an-danitra, sy efa anisan’ny nahazo ny fanahy masina,+

  • Hebreo 6:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 kanefa nihemotra,+ dia tsy azo velomina indray ho amin’ny fibebahana,+ satria mamantsika ny Zanak’Andriamanitra amin’ny hazo fijaliana indray izy ireo, ka manala baraka azy ampahibemaso.+

  • 2 Petera 2:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Raha efa nandositra niala tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao+ izy ireo, noho ny fahalalana marina tsara an’i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy, kanefa tafiditra indray amin’izany ka resy,+ dia ratsy noho ny voalohany ny iafaran’izy ireo.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara