18 Ary nandre momba izany ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitady fomba hamonoana azy.+ Natahotra azy anefa ireo, satria ny vahoaka rehetra dia nitolagaga foana tamin’ny fampianarany.+
19 Tamin’izay ora izay indrindra, dia nitady hisambotra azy ny mpanora-dalàna sy ny lehiben’ny mpisorona, satria takatr’izy ireo fa izy no tao an-tsain’i Jesosy tamin’io fanoharana io. Natahotra ny olona anefa izy ireo.+