FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 44:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Fa handatsahako rano izay mangetaheta,+ ary hasiako rano kely mikoriana any amin’ny tany karakaina.+ Handatsahako ny fanahiko ny zanakao,+ ary handrotsahako fitahiana ny taranakao.

  • Joela 2:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 “Aorian’izany, dia handatsahako ny fanahiko+ ny karaza-nofo rehetra,+ ka ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo+ haminany. Ary ny lahiantitra eo aminareo hanonofy, ary ny tovolahy eo aminareo hahita fahitana.

  • Lioka 3:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Hoy anefa ny navalin’i Jaona azy rehetra: “Izaho manao batisa anareo amin’ny rano, fa ho avy ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aza aho.+ Izy no hanao batisa anareo amin’ny fanahy masina sy ny afo.+

  • Asan’ny Apostoly 2:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Ary samy feno fanahy masina+ izy rehetra, ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa,+ araka izay nampitenenan’ny fanahy azy.

  • Asan’ny Apostoly 11:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Tamin’izay dia tsaroako ny tenin’ny Tompo, izay nilaza matetika hoe: ‘Jaona nanao batisa tamin’ny rano,+ fa ianareo kosa hatao batisa amin’ny fanahy masina.’+

  • 1 Korintianina 12:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Fa fanahy iray tokoa no nanaovana batisa+ antsika rehetra mba ho vatana iray ihany isika, na Jiosy na Grika, na mpanompo na olona afaka. Ary nampisotroina+ fanahy iray ihany isika rehetra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara