15 Hoy i Jesosy taminy: “Misy antony tokony hampalahelo ny naman’ny mpampakatra ve, raha mbola eo aminy ny mpampakatra?+ Ho avy anefa ny andro hanesorana ny mpampakatra+ tsy ho eo aminy, ka amin’izany andro izany izy ireo vao hifady hanina.+
19 Dia hoy i Jesosy taminy: “Afaka mifady hanina ve ny naman’ny mpampakatra, raha mbola eo aminy ny mpampakatra?+ Tsy afaka mifady hanina izy ireo raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra.+
29 Izay manana ny ampakarina no mpampakatra.+ Na izany aza, dia faly be ny naman’ny mpampakatra rehefa mitsangana ka mandre ny feon’ny mpampakatra. Ary efa feno ankehitriny izany fifaliako izany.+