FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 45:0-17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • Ho an’ny mpitarika ny Lisy. Maskila nataon’ny taranak’i Kora. Hira momba an’ireo vehivavy tiana.

      45 Miboiboika zavatra tsara ny foko.+

      Hoy aho: “Misy ifandraisany amin’ny mpanjaka ny asako.”+

      Aoka ny lelako ho toy ny penina*+ eny an-tanan’ny mpanao dika soratra tena mahay.+

       2 Mihoatra lavitra noho ny an’ny zanak’olombelona ny hatsaranao,+

      Ary mahafinaritra erỳ ny teny avy amin’ny molotrao!+

      Izany no antony itahian’Andriamanitra anao mandritra ny fotoana tsy voafetra.+

       3 Ry ilay mahery ô,+ ataovy eo amin’ny andilanao ny sabatrao,+

      Ary misikìna haja amam-boninahitra.+

       4 Ary mandrosoa amim-boninahitra ho amin’ny fandresena!+

      Taingeno ny soavalinao mba hampitoerana ny fahamarinana sy ny fanetren-tena ary ny fahitsiana.+

      Ary ny tananao ankavanana hampianatra anao hanao zava-mampahatahotra.+

       5 Hitsatoka amin’ny fon’ny fahavalon’ny mpanjaka ny zana-tsipìkanao maranitra,+

      Ka firenena maro no ho lavo eo ambaninao.+

       6 Andriamanitra no seza fiandriananao mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+

      Tehim-pahitsiana ny tehim-panjakanao.+

       7 Tianao ny fahamarinana,+ fa halanao ny faharatsiana.+

      Izany no mahatonga an’Andriamanitra, izay Andriamanitrao,+ hanosotra+ anao menaka fifaliana+ mihoatra noho ireo namanao.+

       8 Manitra miora sy aloesy ary kasia ny akanjonao rehetra.+

      Mampifaly anao ny feon’ny lokanga avy ao amin’ny lapa ivoara+ mirenty.

       9 Anisan’ny vehivavy malalanao ny zanakavavin’ireo+ mpanjaka.

      Mijoro eo ankavananao ny vadin’ny mpanjaka,+ sady miravaka volamena avy any Ofira.+

      10 Mihainoa, ry zanakavavy ô, ka mijere ary aoka ianao hanongilan-tsofina,

      Ary hadinoy ny firenenao sy ny ankohonan-drainao.+

      11 Tsy ho andrin’ny mpanjaka ny hahita ny hatsaran-tarehinao,+

      Fa izy no tomponao,+

      Ka miankohofa eo anatrehany.+

      12 Hitondra fanomezana koa ny zanakavavin’i Tyro,+

      Ary hitady sitraka aminao* ireo mpanankarena eo amin’ny vahoaka.+

      13 Be voninahitra ilay zanakavavin’ny mpanjaka, ao an-trano.+

      Voaravaka volamena koa ny akanjony.

      14 Akanjo tsara tenona no hanaovany, rehefa hoentina eo amin’ny mpanjaka izy.+

      Entina eo aminao koa ireo virjiny namany izay mpanotrona azy.+

      15 Ho ao anatin’ny fifaliana sy firavoravoana no hitondrana azy ireo,

      Ary hiditra ao an-dapan’ny mpanjaka izy ireo.

      16 Hisolo toerana an’ireo razanao+ ny zanakao,+

      Izay hotendrenao ho andriana manerana ny tany.+

      17 Hanambara ny anaranao hatramin’ny taranaka fara mandimby aho,+

      Ka hoderain’ny firenena mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao, eny, mandrakizay.

  • Matio 22:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka iray nanao fanasambe+ tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy.

  • 2 Korintianina 11:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Fa fahasarotam-piaro toy ny an’Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo.+ Fa ny tenako mihitsy no nanolotra anareo ho fofombadin’ny+ lehilahy iray,+ mba hatolotro ho virjiny madio+ ho an’i Kristy+ ianareo.

  • Apokalypsy 19:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Aoka isika hifaly sy hiravoravo, ary aoka isika hanome voninahitra+ azy, fa tonga+ ny fampakaram-badin’ny+ Zanak’ondry sady efa niomana ny vadiny.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara